Araka ny tatitry ny mpamokatra lavanilina iray avy ao amin’ny fokontany Andilambe- Firaisana Anjangoveratra, distrikan’i Sambava, ny herinandro teo, dia nidiran’ny mpangalatra voan-davanilina ny alan-davaniliny ny alina. “ Any ho any amin’ny 60 kilao eo ho eo, hoy izy, ny voan-davaniliny no lasany”. Mbola nambaran’ny filohan’ny fokontany koa fa “ raha nihodidina ny alan-davaniliny tany izy tamin’io maraina io dia hitany tetsy ny « tricot » ary hitany teroa ( mbola ao anatin’ny tannin-davaniliny ihany ) ny « briquet à gaz » iray. “ Misy soratra BSR eo ivelan’ity « briquette » ity”, hoy izy nampiseho ireo zavatra rehetra hitany ireo tamin’ny filohan’ny fokontany. Nefa, akory ny hagagany raha nampisehoin’ny Filohan’ny fokontanin’izy ireo azy ny fiantsoan’ireo zandary azy ka nampandalovina tany aminy ny andron’io. Nony tonga tany amin’ny zandary iry mpamokatra lavanilina iry dia nohazavain’ireo zandary ny antony niantsoan’izy ireo azy. Hay fitoriana azy ho nangalatra voan-davanilina. Koa rahefa nohazavainy tamin’ireo zandary ny zavatra hitany tao anaty alan-davaniliny voalaza etsy ambony dia nilaozany ny zandary fa nankany amin’ny Polisy teto Sambava izy ary nametraka ny fitoriany momba ny fahavezezan’iry voan-davaniliny iry. Raha nalain’ny Polisy tany amin’ny zandary izy hofotorin’izy ireo dia nanontaniana azy hoe ” An’iza iry tricot sy briquet iry ” ? Tonga dia niaiky izy fa “ azy avokoa na ny tricot na ny briquet à gaz”. Nohazavainy tamin’ny famotorana azy fa “ fanalavana ny anarany izay voasoratra ao amin’ny kara-panondrom-pireneny io soratra BSR eo ivohon’ny briquette io”. Teo izy vao nanome ny anaran’ny namany roalahy niara-nangalatra ireo voan-davanilina ireo taminy. Rahefa natolotry ny Polisy tam-pelatanan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Antalaha izy ireo dia samy nadoboky ny fitsarana any am-ponja avokoa izy telolahy amin’izao fotoana anoratanay izao.
REMI, Rakotonirina
Vohémar
Lavanila manta milanja 147 kg indray no tra-tehaka tao Antsirakiaka
Mirongatra hatrany ny halatra lavanila any amin’ny Distrikan’ i Vohémar, Faritra Sava, ka miaina ao anaty horohoro sy fitaintainana hatrany ireo tantsaha mpamboly. Vokatry ny fiaraha-miasa matotra nisy teo amin’ny Zandary sy ny Fokonolona, dia lavanila manta milanja 147 kg indray no tra-tehaka tao amin’ny Fokontany Antsirakiaka any amin’ny Kaominina ambanivohitra Antsirabe-Avaratra, afak’omaly. Hatolotra ny Fitsarana tsy hoela ireo olona roa mianadahy voasambotra. Toy ny mahazatra moa dia nopotehina avy hatrany ireo lavanila tsy matoy sarona. Manoloana ny firongatry ny halatra lavanila, dia ny fanamafisana ny andrimasom-pokonolona sy ny fandaniana ny Dina izay mbola alefa hankatoavin’ny fitsarana ihany no vahaolana, hoy ny Filohan’ny vovonam-paritra momba ny lavanila, nampita ny vaovao taminay. Raha tsy misy ny fepetra hentitra sy henjana raisina ho an’ireo mpividy lavanila halatra tsy manaja ny fenitry ny kalitao, hoy ity tompon’andraikitra ity, dia ho ratsy endrika eo amin’ny tsena iraisampirenena ny lavanila Malagasy.
Eric Manitrisa