Manoloana ny resabe mitsikera ny fomba fitantanana eo anivon’ny Trano fiantohana MAMA noho ny fandavan’ireo mpikambana sasany ny fomba ny nifidianana ireo mpitantana ankehitriny ao amin’io orinasa io ; izay natao tany Nosy be tamin’ny volana oktobra 2018. Mihevitra ireo mpitatitra avy any amin’ny faritra izay tonga nanatrika ny fivoriam-be nataon’izy ireo, ny alakamisy teo fa mifono fanilihana azy ireo izao fanenjehana izao. Ho fanamarinana izany, dia fanontaniana no napetrak’i Bebotsy Laurice, solontenan’ny mpitatitra avy any amin’ny Faritra Avaratra mahakasika ireo mpanohitra ireo. « Naninona izy ireo no tsy tonga namonjy ilay fivoriana tany Nosy be ? Taiza ireo olona ireo hatramin’izay no izao vao mitabataba? Satria ve lasan’ny avy any Avaratra ny filohan’ny Filankevi-pitantanana dia lazaina fa tsy mandeha ny orinasa? Amin’ity mpitatitra ity dia mihatsara ary mandroso tokoa ny MAMA ankehitriny. Tsy manana trosa intsony ary afa-po tanteraka ireo mpikambana any amin’ny faritra noho ny ezaka efa nataon’ireo mpitantana hanakaiky ny any amin’ny faritra. Noho izany, nambarany, fa tsy maintsy hijoro izy ireo ary efa mivondrona avokoa ny mpitatitra rehetra any amin’ny faritany mba hanohana io Filankevi-pitantana ankehitriny io.
T.M.