- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversSavorovoro tany Vangaindrano : Naiditra am-ponja vonjimaika avokoa ireo voasambotra

Savorovoro tany Vangaindrano : Naiditra am-ponja vonjimaika avokoa ireo voasambotra

Omaly no natolotra ny Fampanoavana tao Fianarantsoa ilay olona voarohirohy ho namono nahafaty ny tovovavy iray niaraka taminy, fototry ny olana, niteraka savorovoro tany Vangaindrano. Taorian’ny nihainoan’ireo mpitsara mpanao famotorana azy dia fantatra, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, fa nadoboka am-ponja avy hatrany ity ranamana ity. Mahakasika ireo olona efatra hafa, voarohirohy ho nitarika fanakorontanana tao an-toerana ny alakamisy lasa teo, dia tao Farafangana kosa izy ireo no nalefa nohenoin’ireo mpitsara tao amin’ny Fampanoavana. Noho ireo vesatra isan-karazany, nanenjahana ireto olona ireto : ny fanakorontanana, fandoroana sy fandrobana zavatr’olona, fitarihana ny olona hikomy dia nadoboka any am-ponja avy hatrany ihany koa izy rehetra ireto, miandry ny fotoam-pitsaràna azy.

Milamina. Nambaran’ireo tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana fa efa mizotra ara-dalàna ny fiainan’ny mponina any Vangaindrano. Efa miasa ireo mpiasa, mianatra ireo mpianatra, ary efa misokatra ihany koa ireo biraom-panjakana rehetra any an-toerana. Porofo maromaro nentin’izy ireo nilazàna fa efa milamina tanteraka ny any Vangaindrano. Ny hitandroana izay filaminana izay  anefa tsy vita mora, hany ka mbola mitohy foana hatreto ny fisafoana ataon’izy ireo. Mbola mitohy araka izany ihany koa ny fanadihadiana mahakasika iny savorovo tany an-toerana iny. Izany hoe, tsy maintsy mbola hisy indray ny fisamborana olona hafa. Nanamarika mantsy izy ireo fa tsy ireo fokonolona mpiray dina akory no nitarika iny korontana iny fa tao dia tao tokoa ny mpanakorontana, izay « tsy maintsy enjehina araka ny lalàna, noho izy ireo nahavita heloka ». Fantatra moa, fa olona mpanampy tao amin’ilay parlemantera voaroba no anisan’ny atidoha nitarika ilay korontana, araka ny fanazavàna hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici