- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversSavorovoro tao amin’ny tribonaly Manakara : Nifamaly ny sendikan’ny mpitsara sy ny...

Savorovoro tao amin’ny tribonaly Manakara : Nifamaly ny sendikan’ny mpitsara sy ny mpandraharahan’ny fonja

Raikitra ny savorovoro, tao amin’ny Lapan’ny Fitsarana Manakara, afak’omaly, satria tsy nanaiky ny didim-pitsarana navoaky ny lehiben’ny Fitsarana, izay didy mampiditra am-ponja roa taona sazy mihatra an-tranomaizina an’ireo mpiandry fonja telo lahy notorian’ny gadra iray ho nidaroka azy tao am-ponja ireo mpiandry fonja namany, ka rava hatramin’ny fotoam-pitsarana ny andro alarobia io. Nikomy sady tsy mety mandray na hamoaka voafonja ireo mpiandry fonja, ary naterin’izy ireo tany amin’ny mpampanoa lalàna ny lakilen’ny fonja. Nanoloana an’io trangan-javatra io, araka ny tati-baovao voaray, dia voatery niantso mpitandro filaminana ny lehiben’ny Fitsarana any an-toerana, ary nandeha ny fifampiraharahana avy  teo.

Mihenjan-droa ny tady. Manoloana ny tranga niseho tany Manakara , ny alarobia teo iny, dia samy nanao fanambarana omaly ny avy ao amin’ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara sy ny mpandraharahan’ny fonja. Manameloka tanteraka ny fihetsiky ny mpandraharahan’ny fonja ny SMM. Mamo sady nirongo fitaovam-piadiana izy ireo, araka ny fanambarana novakian’ny filohan’ny SMM, Faniry Ernaivo. Manala baraka sy nanevanteva ary nanao tsinontsinona ireo mpandraharahan’ny fonja, ny lehiben’ny fampanoavana any Manakara, ka izay ny antony nisian’ny fikorontanana omaly (ny andro alarobia io), araka ny fanazavan’ny filohan’ny Sendikan’ny mpandraharahan’ny fonja Realy César Diderot.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici