
Taorian’ireny fihetsiketsehana niharo fandrobana nataon’ireo mpanao fitakiana, tany Mahajanga ireny, ny alatsinainy lasa teo, dia fantatra izao fa ny mpivarotra sy ny mpianatra indray izao no mifampihantsy. Ny talata lasa teo mantsy dia namaly, iny zava-niseho iny, ireo mpianatra mpanao fitakiana fa tsy ry zareo mihitsy no tompon’antoka nandroba sy nigafy fa olona mpivarotra ihany no nokaramaina hanankorontana, araka ny fampitam-baovao. Ireo mpivarotra ao Vy Lava anefa, dia nandà marindrano ny fahamarinan’izany. Tsy te hahalala ihany koa, araka ny loharom-baovao hatrany, afa-tsy ny “hamaly faty” ny zava-niseho tamin’izy ireo, ary mitaky ny mba hijeren’ny fanjakana azy ireo manokana sy ny mba tsy handrirariràna ilay fitoriana nataon’izy ireo. Raha ny vaovao re eo anivon’ny mpitandro filaminana mantsy, tsy mbola nisy hatreto iraka fampisaborana ireo voalaza fa mpanakorontana, na dia efa fantatra aza fa misy anaran’olona dimy, fantampatantra amin’izao ho tompo-marika tamin’iny fanakorontana miharo fandrobana iny. Nisy mihitsy fidinana an-dalam-be nataon’izy ireo tany an-toerana, milaza izany alahelony izany, omaly. Hatreto anefa dia mbola milamina ny ao an-drenivohitr’i Boina ao, raha ny voalazan’ny mpitandro filaminana hatrany. Voasakana foana mantsy hatreto ny mety hisian’izay korontana sy savorovoro izay. Fantatra ihany koa, etsy andaniny, fa mbola saika hanantanteraka filaharana ireo mpianatra, omaly, saingy tsy tanteraka izany. Raha ny loharanom-baovao hatrany dia fantatra fa lasa miteraka horohoro eo amin’ireo mponina manodidina sy mpivarotra iny zava-nitranga iny. Ka raha vao misy siosion-dresaka filaharan’ny mpianatra dia tapitra manidy tsena avokoa ireo mpivarotra isan-karazany.
m.L