Ho fisorohana ny zavatra hafa mety hitranga, araka ny fanazavàna azo avy amin’ireo mpitandro filaminana, dia nentina nampakarina ny Fianarantsoa avokoa ireo olona voasambotra tamin’ilay resaka savorovoro tany Vangaindrano, omaly maraina. Ao anatin’izany ireo telo lahy, vosambotra voalohany, fototr’iny olana niafara tamin’ny sakoroka sy doro trano iny. Fa teo ihany koa ireo olona hafa, voatery nosamborina tao anatin’ilay tranga niseho afak’omaly. Miisa dimy izy ireo raha ny fanazavàna azo teo anivon’ny Seraseran’ny zandarimariam-pirenena, ka anisan’izany ny lehilahy iray atao hoe nitarika sy nitondra ireo olona an’arivony ho amin’ny fanakorontanana sy fandorona tranon’olona tsy manan-tsiny.
Fa raha hiverenana kely ny zava-niseho iny alakamisy iny dia fantatra izao fa trano nahatratra teo amin’ny 20 teo no ravan’ny afo. Tsena kely isan-karazany ka hatrany amina toerana fitobian’entana an’ny mpandraharaha iray any an-toerana. Zavatr’olona maromaro ihany koa no potika sy voaroba nandritra izany fifanjevoana izany, ary io niafara tamin’ny fisamborana ireo olona dimy ireo. Na izany na tsy izany dia tsy nisy ny naratra tamin’io fotoana io, ary voaaro hatramin’ny farany ireo toerana stratejika rehetra tany, toy ny Jirama, ny banky sy ireo tranom-panjakana isan-karazany.
Azo lazaina fa efa milamina ny any an-toerana, araka ny fanazavàna azo. Efa samy nanomboka niverina tany amin’ny tanàna nisy azy tsirairay avy tany ireo olona an’arivony tonga tao Vangaindrano. Mbola mitohy kosa anefa etsy andanin’izay ny fampandriana fahalemana ataon’ireo mpitandro filaminana telolafy. Vao omaly maraina izao no tonga tany an-toerana ireo zandary sy miaramila hafa fanampiny avy ao amin’ny Fign sy Rfi, hanampy ireo namany efa an-jatony any, hanampy amin’izay fitandroana ny filaminana izay. Araka ny fantatra dia barazy 18 no ravan’izy ireo teny amin’iny lalam-pirenena faha-12 iny. Nanomboka tany Farafangana ka hatrany Vangaindrano. Tsy nisy moa ny fifandonana tamin’izany. Ny mifanohitra tanteraka no nitranga satria dia nanampy tamin’ny fanalàna ireo hazobe nadaboka natao hibahanana ny arabe ireo mponina teny amin’ny manodidina.
m.L