vendredi, mai 23, 2025
AccueilFaits-DiversSavorovoro teny Ankatso : « Panneau » natao kitay, nirehitra ny tanety,...

Savorovoro teny Ankatso : « Panneau » natao kitay, nirehitra ny tanety, olon-tsotra vaky loha

Tapak’andro maninjitra no naharetan’ny fifanjevona teo amin’ny mpianatra sy ny mpitandro filaminana omaly hariva.

Dia mbola mitohy hatrany ! Efa tamin’ny 7 ora maraina ireo mpianatra “polytechnique” teny Vontovorona no niala tsikelikely teny an-toerana hamonjy an’Ankatso. Somary diso vaovao ihany ireo mpitandro ny filaminana etsy an-daniny raha tamin’ny 10 ora tany ho any vao nirodorodo hanakana ny dian’izy ireo. Ireto farany izay niveri-maina avy any Vontovorona, nihazakazaka ho eny Ankatso. Amin’ny 11 ora sy sasany teo ho eo. Saika efa tonga sy nivorivory teo amin’ny esplanade Ankatso avokoa ireo mpianatra avy any Vontovorona, nampian’ireo mpianatra avy amin’ny “Lettre”, nidina nihazo ny vahavahady vy, ho eny amin’ny arrêt 119. Tazana ho samy nanidy ny tsenany tsirairay avy ireo mpivarotra teny an-toerana tamin’io ora io. Nanomboka teo ny horakoraka, sitsioka “siflet”, sns ho fihantsiana ireo mpitandro ny filaminana, izay nijanona teny ambanimbany. Nanomboka nidonaka ihany koa ny setroka avy amin’ireo kodiarana nodoran’ireto mpianatra ireto, nisakana lalana mihazo ny Oniversite iny. Nihamafy ny fihetsika satria dia nongotan’izy ireo ny “panneau” hazo, misy irony fanambarana tetikasa irony teny an-toerana, natao kitay namelomana ny afo, nibahanana ny arabe. Nisy tamin’ireo ankizy ihany koa no nandrehitra ny tanety teo ambanin’Ankatso teo. Tsy vitan’izay ihany fa maromaro ireo fiara voataro-bato.

Tora-bato tsy an-kijanona. Tokony ho tamin’ny 2 ora tany ho any no niakatra avy any mpitandro filaminana. “Tsy maintsy mandray fepetra izahay” hoy ny Komandin’ny CIRGN Tanà, tonga teny an-toerana. Nigadona avy any ihany koa ny avy amin’ny mpamonjy voina, namono haingana ny afo, izay efa saika nitatra, nahazo tranon’olona teo akaiky teo. Nitsoaka niditra tany anatin’ny faritry ny Anjerimanontolo ireto mpianatra raha vao nanatona ireo Emmoreg. Raikitra tamin’izay teo ny tora-bato tsy an-kijanona. Namaly bontana ihany koa ny avy aty amin’ny mpitandro ny filaminana niaritra tokony ho adiny iray teo. Nidoboka ny baomba nandatsa-dranomaso, nipoapoaka ireo basy nandefasana ireo bala fingotra. Miato kely ny baomba, dia nivaly avy any indray ny tora-bato isan-karazany. Vokany, lehilahy iray, manodidina ny 50 taona teo ho eo, olon-tsotra sendra nandalo, no tratran’ny vaton’ireo mpianatra, ka nahavaky ny lohany. Nentina avy hatrany tany tamin’ny tobim-pahasalamana ity rangahy ity. Nahitana fahasimbana ihany koa ireo fotodrafitrasa teny an-toerana. Niato ny fandefasana ny baomba mandatsa-dranomaso, tamin’ny 4 ora sy sasany teo. Velona indray ny tora-bato nifamaliana teo amin’ireo mponina teny an-toerana sy ireo mpianatra. Tsy maintsy niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana, niditra tany anatin’ny Oniversité, niezaka nanaparitaka ireo mpitoraka. Tsy nisy aloha hatreto ireo mpianatra voasambotra. Tamin’ny 5 ora sy sasany hariva kosa vao tena niparitaka sy nilamindamina teny an-toerana. Mbola ireo fitakiana tsy voavaly hatrany moa no anton’ity hetsika ity, araka ny voalazan’ireo solontenan’ny mpianatra.

Mike L.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser