Tamin’ireo mpamily fiarakodia sy kodiaran-droa miisa 3010 nanaovana fitiliana no nivoahan’ity vokatra ity. Mpanamory kodiaran-droa avokoa ireo mamo ary nahatratra 56 isa izy ireo. Voafehy rehefa nasaina nijanona mandra-piàfan’ny tahan’ny alikaola tao anatin’izy ireo. Nisy vokany koa izany tamin’ny mba tsy nisian’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena voalohany izay miainga eto an-drenivohitra ka hatreny Imerintsiatosika. Sambany tao anatin’ny nisian’ny hazakazaka fiara teny an-toerana no mba tsy nisy handeha hanatrika na avy nijery ka tratran’ny lozam-pifamoivoizana noho ny tsy fitandremana. Raha tsiahivina dia olona telo no indray maty ary mpanamory sy entina amin’ny kodiaran-droa avokoa izy ireo. Nandeha teny amin’ny RN1 ireo olona ary izany dia tao anatin’ny hetsika hazakazaka scooter. Tsy nahafehy familiana teny an-dàlana ary nitera-doza. Nanaitra ny sain’ny maro izany loza nahatsiravina izany ary nanomboka teo koa no nohamafisina ny hetsika fanaraha-maso ny fifamoivoizana rehefa misy hazakazaka fiara na kodiaran-droa ao Imerintsiatosika sy Arivonimamo. Loza mitatao tanteraka ary ilaina ny fitohizan’ny fanaraha-maso hentitra toa izao mba ho fiarovana ny ain’ireo mpampiasa làlana. Etsy ankilan’izany, ilaina hatrany ny fanentanana ireo mpampiasa moto amin’ny lafiny maro satria izy ireo hatrany no tena betsaka mitondra takaitra na mamoy aina amin’ny lozam-pifamoivoizana eto an-drenivohitra sy ny manodidina.
D.R