- Publicité -
vendredi, août 1, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversScooter : Nahafaty olona indray

Scooter : Nahafaty olona indray

Tetsy Ambohimangakely, niafara tao ambanin’ny kamiao ny hazakazaky ny moto scooter iray sy ny olona nentiny. Maty tsy tsa-drano ny mpitaingina. Tetsy amin’ny By-pass, olona roa izay nitaingina scooter hatrany no indray naratra mafy ary miady amin’ny fahafatesana. Nandeha “sens unique” tao anatin’ny “rond point” ary niafara tao ambanin’ny kamiao koa. Ny alin’ny asabotsy teo avokoa no nitranga ireo lozam-pifamoivoizana ireo. Niteraka resa-be avokoa ireo tranga roa karazana ireo ary to any mahazatra dia tsy mivoatra firy ny adihevitra. Ny antoko voalohany dia manakiana ny mpitaingina kodiaran-droa ho tsy manaja ny lalanan’ny fifamoivoizana. Ny faharoa indray dia ny mpamily fiara no kianiny. Dia ireo no lasa mifampiantsy amin’ny teny mahery ny hiafaran’ny adihevitra. Tsy mba mety tonga any amin’ny vahaolana arak’izany ny resaka kanefa dia isan’andro no misy ny olona na mitondra takaitra na namoy aina amin’ny lozam-pifamoivoizana amin’ny kodiaran-droa.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici