Ny alatsinainy lasa no nivoaka ny didy mahakasika ilay raharaha nahavoasaringotra Sefo Zap iray tany amin’iny distrikan’Ifanadiana iny. Voampanga moa ity farany fa nanolana ankizivavy tamin’izany fotoana izany. Voaheloka higadra an-tranomaizina roa taona sy tapany niampy onitra dimy tapitrisa ariary no sazy azon’ity tompon’andraikitry ny fampianarana ity. Sazy mihatra avy hatrany
Raha tsiahivina ny raharaha izay efa niseho volana maromaro lasa izay dia ny zanaky ny mpampianatra iray, teo ambany fifehezany ihany no nampiharan’ity rangahy ity ny filan-dratsiny. Nametraka fitoriana avy hatrany teny amin’ireo ambaratonga mahefa ity ramatoa mpampianatra ity ary natao avy hatrany ny fanadihadiana sy ny famotorana an’Ingahy Sefo Zap. Efa niakatra fitsaràna tao Mananjary ny raharaha, raha ny angom-baovao azo, tamin’ny voalohandohan’ny taona teo. Saingy raha ny fantatra dia tsy nahazo rariny ilay ramatoa nanana zanaka niharan’ny herisetra ara-nofo. Afaka madiodio ilay tompon’andraikitra. Tsy nihanona fotsiny tamin’io anefa ireo mpitory fa nampiakatra ny raharaha teny anivon’ny « Cour d’appel ». Ary dia izao nahitàm-bokany izao izany rehefa nisy ny fanadihadiana lalina nampanaovin’ireo mpitsara. Vao io nivoaka tamin’ny alatsinainy io moa ny didy dia efa nisy niaraka tamin’izany ihany koa didy fampisamborana azy any amin’izay toerana ahitana an’ity Sefo Zap ity. Marihana mantsy, raha ny angom-baovao azo hatrany, fa toa hoe nafindra toerana avy hatrany izy ity taorian’io fitsaràna tany Mananjary io.
m.L