- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversSehatry ny fampianarana eto Toamasina : Mitokona ireo mpanabe eo anivon’ny Lisea...

Sehatry ny fampianarana eto Toamasina : Mitokona ireo mpanabe eo anivon’ny Lisea Jacques Rabemananjara

Taorian’ny fanapahan-kevitry ny syndikan’ny mpampianatra sy mpanabe foibe tsy handray indray ny fampianarana noho ny tsy famalian’ny fanjakana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenrna sy ny fampianarana teknina ny fangatahan’izy ireo efa nankatoavina teo aloha, dia mitokona ihany koa ny mpampianatra sy ny mpanabe eo anivon’ny Lisea Jacques Rabemananjara Toamasina izao manara-dia ireo namany ao Antananarivo. Raha ny nambaran’ireto mpanabe mitokona ireto dia noho ny tsy fanomezan’ny fanjakana daty, tao anatin’ny fifanarahana, ny tsy fisian’ny fandoavana marina ny tambin-karama 50.000 ariary efa nekena, ny tsy fijerena ny karaman’ireo mpampianatra Fram sy ireo mpampianatra an-tselika ary ireo Ecd, …. Ary ny tsy fijerena ny kilasy omena ireo mpampianatra nivoaka tamin’ny sekoly ambony mpampihofana mpampianatra sy ny maro, no anton’ireo fitokonana ataon’izy ireo izao. Miankina amin’ny fanapahan-kevitry ny syndika ny fiverenana mandray ny fampianarana hoy ireo mpampianatra eo anivon’ny Lisea Toamasina I ireto nefa ao anatin’ny famaranana ny telo volana faharoa izy ireo ankehitriny. Ankoatra izay dia nambaran’ireto mpanabe ireto, fa zo omen’ny lalàna ireo mpampianatra ny fitokonana, ka rariny sy hitsiny izy ireo raha manao izany ao anatin’ny fitakiany, satria manao be marenina sy tsy mamaly ny efa nekeny ny fanjakana sy ny minisitera amin’ireo fitakiany hatramin’izay.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici