- Publicité SW45 -
jeudi, avril 18, 2024
AccueilFaits-DiversSekolin’ny polisy : Fanolorana ambany Faneva ireo mpianatra ho manamboninahitra

Sekolin’ny polisy : Fanolorana ambany Faneva ireo mpianatra ho manamboninahitra

Hotanterahina eny amin’ny Sekolim-pirenena ambony ho an’ny Polisy eny Ivato, anio zoma maraina amin’ny 10 ora, ny fanolorana ambany Faneva ireo mpianatra ho “commissaries de police” andiany faha-19 sy “officiers de police” andiany faha-20.

Miisa dimampolo (50) ireto mpianatra ireto ka ny 20 dia mpianatra ho “Commissaires de Police”, ahitana vehivavy fito (07), ny 30 kosa mpianatra ho “Officiers de Police”, ahitana vehivavy telo (03). Mpianatra afaka tamin’ny fifaninanana handraisana mpianatra ho Polisy natao tamin’ny 13, 14 Jolay 2013.

Niditra teny amin’ny Sekoly izy ireo ny 12 janvier 2014. Nandalo ny fiofanana ara-miaramila nandritra ny iray volana sy tapany. Mialoha ny hirosoana amin’ny fianarana dia hatolotra eo ambany fanevan’ny Sekolim-pirenena ambony ho an’ny Polisy. Ny fanolorana ambany faneva dia fanehoana ampahibemaso fa efa vita sedra tamin’ny lafiny rehetra ireo mpianatra ireo ary vonona hiditra ao amin’ny fiainana sy ny tontolon’ny Polisim-pirenena ka hanatanteraka ny fianarana sy ny fiofanana mandritra ny roa taona.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser