- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversSekoly ambonin’ny Zandarimariam-pirenena : Tarika indray mihira 5 no navoaka

Sekoly ambonin’ny Zandarimariam-pirenena : Tarika indray mihira 5 no navoaka

gendarmeTontosa ny zoma teo tany Moramanga, ny lanonam-pamoahana ireo zandary, niofana nandritra ny 5 volana tao amin’ny Sekoly ambonin’ny Zandarimariam-pirenena. Namoahana ny andiany faha-20 amin’ny CSC (Cour Supérieur de Commandement), ny andiany faha-27, CRO (Cour de Recyclage des Officiers), faha-38 amin’ny CAO (Cour d’Application des Officiers), faha-21 amin’ny CPCB (Cour de Perfectionnement de Commandant de Brigade) ary ireo Enquêteur Judiciaire. Niavaka ireto andiany ireto, satria dia nahitana teratany vahiny maromaro tao anatiny : Kaomoriana, Nizeriana ary Togolezy, ka ireto roa farany no tena maro indrindra araka ny filazan’ny Talen’ny Sekoly. Ny tao amin’ny CSC no tena betsaka indrindra, satria dia nahitana teratany vahiny 11. Nandritra ny kabary nifandimbiasana no nantintranterin’ny Jly Paza Didier, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-miasan’ny firenen-tsamihafa eo amin’ny lafiny fandriampahalemana ary ihany koa ny tokony ho maha fitaratra ny zandary eo anivon’ny fiarahamonina. Milaza ny tsy handefitra ihany koa ity tompon’andraikitra ambony ity, ny amin’ireo zandary manaonao foana, fa indrindra ireo mpanao kolikoly. Lanonana teo ambany fiahian’ny Talen’ny Kabinetran’ny Prezidansa, nisolo tena ny Filohan’ny Repoblika, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandary ary ny Kômandy ambonin’ny Zandarimariam-pirenena. Tonga nanotrona ity lanonana ofisialy ity ihany koa ireo olo-manan-kaja sy manambonihanitra vahiny avy amin’ireo tany niavian’ny mpiofana nanome voninahitra ity lanonana ity. Nandritra ity lanonana ity ihany koa ny nisian’ny fitokanana ny trano fandrian’ireo zandary mpanaraka ny fiofanan’ny CSC. Navaozina noho ny fahasimbana be loatra teo amin’izany trano izany.

Mike L.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser