- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversSekoly ambony ENAP Antetezambaro : Vonon-kiady amin’ny kolikoly sy ny fahalovana

Sekoly ambony ENAP Antetezambaro : Vonon-kiady amin’ny kolikoly sy ny fahalovana

Tonga nanatitra fanampiana ny sekoly nasionaly ambony momba ny fandraharahana ny fonja, ENAP, ny minisitry ny fitsarana, Andriamahefa Rivo Johnny Richard, omaly maraina. Fiaraha-miasa tamin’ny vokatra fanohanana ny fitsarana Malagasy, PAJMA, tamin’ny fanampian’ny tahiry frantsay momba ny fampandrosoana, AFD, no nahazoana ny famatsiam-bola izay tafiditra amin’ny ady eo amin’ny kolikoly sy ny fahalovana ao anatin’ny minisiteran’ny fitsarana sy ny fandraharahana ny fonja. Nahitana ny solosaina entin-tanana, camera, vata vy fitehirizana entana mihidy, ary ireo fitaovana elektronika samihafa, no natolotra tamin’izany araka ny tenin’ny talen’ny sekoly ambony ENAP ao Antetezambaro Razafitsalama Désiré. Hiasa amin’ny fangaraharan’ny fifaninanana fidirana ho mpiasan’ny fandraharahana ny fonja ireto fitaovana ireo. Tsy mbola fantatra ny hanaovana ny fifaninana izay miandry ny hamehana ara-pahasalamana, saingy ho an’ireo mpiadina miisa 7.000 eo ho eo efa nisoratra anarana farany teo izay tokony nanao ny fifaninana ny volana aprily teo, dia mbola voatazona avokoa izany. Miisa 14 ny toeram-panadinana manerana ny nosy izay tsy maintsy hampiasana ireto fitaovana ireto mba tena hampangarahara sy eken’ny rehetra tanteraka valiny mety hivoaka eo. Araka ny fanazavana dia mahatratra 05 tapitrisa Euros ny fanampiana nomen’ny AFD hanampiana ny fandraharahana ny fonja malagasy, ka hisy koa ny fanamboarana ny trano hatokana ho an’ireo mpampianatra eo anivon’ny ENAP mba hananan’izy ireo mpianatra raikitra atsy ho atsy. Nomarihan’ny minisitry ny fitsarana koa fa tsy ny fandraharahana ny fonja ihany no mila izany mangarahara izany fa ny tontolon’ny fitsarana ihany koa, satria mila olom-banona ny fitsarana mba hampiova ny fijerin’ny mpanjifa azy ireo. Mafy tena mafy ny fanakihanan’ny olona ny tontolon’ny fitsarana noho ireo fahalovana sy kolikoly maro ao anatiny fantatry ny olona. Ho fisorohana izany, hoy ny minisitra, dia mila fitsarana vanona lavitry ny kolikoly sy ny fahalovana ny mpanjifa manomboka izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici