Natao tao Vohitsara Antetezambaro Toamasina II, ny zoma misandratr’andro teo ny lanonana ara-miaramila namoahana ireo famoahana ny andiany “Raitra” teo anivon’ny sekoly ambony eto amintsika mpampiofana ireo mpandraharahan’ ny fonja. Miisa 200 mianadahy izy ireo, satria 60 ireo vehivavy tao anatin’ity andiany “Raitra” ity. “Hiasa eo anivon’ny fonja manerana ny Nosy ireto andiany Raitra ireto, arakaraka ny sampam-piofanana nataon’izy ireo avy teo anivon’ny sekoly ambony ity”, hoy ny tale jeneralin’ny mpandraharaha ny fonja. Ho an’ny talen’ny sekoly ambony mpampiofana ny mpandraharahan’ ny fonja ao Antetezambaro kosa nanamafy, fa “efa vonona hiatrika ny asa hampiandraiketana azy avy hatrany ireto andiany Raitra ireto, satria efa nanao fanofanan’asa izy ireo nandritra ny fampiofanana natao azy ireo teo anivon’ity sekoly ambony ity”. Ho an’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny fitsarana izay nisolotena ny minisitra kosa, dia ny fanajana ny etika sy ny fomba fiasa ary ny handresy ny kolikoly amin’izay asa atao no hafatra nataony ho an’ireto andiany “Raitra” miisa 200 ireto. Ankilan’izany dia nilaza kosa ireo mpandraharahan’ ny fonja, fa asa sarotra sy tafiditra amin’ny fametrahana ny filaminam-bahoaka ny asan’izy ireo, satria izy ireo no miambina sy mifehy ary manidy ireo heverina ho fahavalom-bahoaka sy fahavalon’ny filaminam-bahoaka. Asa sarotra no sahanin’izy ireo, raha ny nambaran’ireto mpandraharaha ny fonja ireto, nefa asa masina ka tandrovina tsara mba hampisy filaminana eny amin’ny fiainam-bahoaka eny. Ankoatra izay, dia niatrika izao lanonana tao fokontany Vohitsara kaominin’Antetezambaro distrikan’i Toamasina II izao koa ny sekretera jeneralin’ny prefektioran’i Toamasina, ny sekretera jeneralin’ny faritra Atsinanana, ny depioten’i Toamasina II, ary ny ben’ny tanànan’Antetezambaro; teo koa ireo fianakavin’ireto andiany “Raitra” ireto.
Malala Didier