Ny kaomisera Talily Damy, BRSP Vakinankaratra teo aloha, no voatendry hitantana indray ny sekoly fanofanana « inspecteur » sy « agent de police » na “ENIAP” eto Antsirabe. Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny famindram-pitantanana ny tale teo aloha, ny “commissaire divisionnaire de police” Andrianirinarivelo Jean Ives Remi sy ny tale vaovao hiditra. Nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonana ny minisitry ny filaminanam-bahoaka Andrianisy Mamy Jean Jacques. Isan’ny namantaran’ny maro ity tale vaovao hitantana ny sekoly ity ny lafiny fitsipika sy lalàna mifehy ny asan’ny polisy. Nambarany fa misokatra midanadana ho an’ireo tsy vonona hanaja izany ny varavaran’ny sekoly. Tsy miala amin’ny toromarika sy ny hafatra ary ny politika nosafidian’ny ministera miahy ny filaminam-bahaoaka hoe polisy vanona ary polisy vonona hiatrika ny asa avy hatrany aorian’ny fiofanana ny fanamby napetraky ny tale vaovao. Notsiandriany ny fahavonana hanaja ny fitsipika sy lalàna ary indrindra ny zo maha olombelona. Hisy, hoy izy, ny ezaka manokana hatao mikasika io fanajana ny zo maha olona io amin’ireo mpianatra vaovao mba ho raiki-tampisaka aminy izany fanajana ny zo maha olona sy ny vahoaka izany. Miisa 750 ireo mpiofana ho polisy ao amin’ny ENIAP ka ny 100 amin’izy ireo no miofana ho “inspecteur”.
Andry N.