- Publicité -
samedi, juin 7, 2025
AccueilFaits-DiversSekoly fanta-daza : Zafikelin’ny filoha iray nahatratrarana rongony

Sekoly fanta-daza : Zafikelin’ny filoha iray nahatratrarana rongony

Afenina tanteraka ny raharaha satria sady fanta-daza ilay sekoly no taranaky ny olo-be teo aloha eto amin’ny firenena ny voakasika. Tao amin’ilay toerana, ny alakamisy teo no saron’ny mpampianatra ny fonosan-drongony. Nametraka fitoriana ilay mpanabe raha araka ny fanampim-baovao azo momba ity raharaha ity. Saingy izay mpitandro ny filaminana nanontaniana dia nilaza ho tsy nahafantatra ny zava-nisy avokoa. Zafikelin’ny filohan’ny andrimpanjakana iray teo aloha no isan’ny voakasika. Ny tena nahatalanjona amin’ity raharaha ity dia tsy maka lavitra ireo mpianatra rehefa manao ny fidorohana fa ao amin’ny toerana iray ao amin’ilay sekoly ihany. Efa misy mpamatsy ny rongony ary avy any atsimo no fanafarana azy. Endrika fanapotehina ny mpianatra ny fampidirana an-tsekoly zava-mahadomelina satria sady tsy fanajana ny zon’ny ankizy no mamotika avy hatrany ny fisainan’izy ireo. Mila mijery akaiky ny tompon’andraikitra ary manome ny sazy mifandraika amin’izany. 

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici