Ny fanolanana mitamba-be, ny fidoroana, ary ny halatra madinika no iarahan’ireo tanora ao anatin’ity resaka « gang » ity. Tranga izay misy ao amina sekoly tsy miankina ara-pinoana iray ao Toamasina. Araky ny angom-baovao no nahalalana, fa misy karazany telo samy hafa ity vondrona tanora eo anivon’ity sekoly ity : ny Ghetto, ny Tribal, ary ny Roi, ka samy misafidy ny vondrona misy azy avy ireo andiana tovolahy sy zazalahy ary tovovavy sy zazavavy rehetra. Samy manana ny famantarana azy avy ny vondrona tsirairay izay harafitra ho tombokavatsy amin’ny rantsan-tànana izany. Tamin’ity vondrona tanora Roi ity no misy azy roa lahy nanolana zazalahy 12 taona izao. Raha izao no mitohy, dia efa tsy hilamina intsony indray i Toamasina ary ny tena loza, dia mety hitovy toy ny any amin’ireo tanan-dehibe hafa any am-pitandranomasina misy itony karazana « gang » itony ny ao an-toerana. Ny fifandrafian’ireto vondrona ireto; izay mety hitondra any amin’ny herisetra sy ny vono olona.
Malala Didier