- Publicité -
jeudi, novembre 20, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSekta manondrana olona : Vehivavy iray nidoboka am-ponja tany Mahajanga

Sekta manondrana olona : Vehivavy iray nidoboka am-ponja tany Mahajanga

Tena lasa tokoa ilay zaza ary any Kenya no toerana nandehanany. Niainga tamin’ny fandrokidrokiana renim-pianakaviana iray sahirana tao amin’ny toeram-pivavahan’ny sekta iray ao an-toerana ny raharaha. Rehefa nifandresy lahatra ela teo ny roa tonta, nanampy trotraka ihany koa moa ny pasitera, dia tapa-kevitra ilay ramatoa ny hanome ny zanany vavy vao enin-taona. Nihodina anefa ny tantara taty aoriana kely, ka nitarika ny fametraham-pitorian’ilay renim-piankaviana teo anivon’ny zandary. Nohamarinina nandritra ny fanadihadiana ny taratasy rehetra nahafahana nandefa ilay zaza. Teo dia nivohitra fa sady tsy nisy ny taratasy ara-pitsarana nahafahana nanao izany. Tsy nisy ihany koa ny taratasy avy amin’ny ray aman-drenin’ilay zaza, ka nanome alàlana ny zanany na koa nanome alàlana olon-kafa hanangana azy. Nipoitra teo fa endrika hala-jaza mba nentina nanondrana azy no niseho. Notazonina am-ponja vonjimaika ilay ramatoa “mpanampy ny mahantra” kanefa ny ao ambadikany dia endrika fanondranana olona no tena mety ho antony. Ilay pasitera kosa nahazo fahafahana vonjimaika ary samy miandry ny fitsarana azy izy ireo. Manomboka voaporofo izao ny hetsik’ity fiangonana zandriny iray ity eto amin’ny firenena. Ny nahatalanjona dia tsy mba nisy na dia fanadihadiana nisokatra akory aza teto Andrenivohitra taorian’ny fitarainan’ny mpikambana ao aminy, fa misy tsy mazava ny fandefasana olona any Canada. Sady tsy mitombina ny fisian’ilay oniversite no mbola nangalàna vola ihany koa ny tanora maro. Dia mitohy ara-dalàna, toa ny tsy misy na inona na inona anefa, izany hatramin’izao…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

4 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici