Potika tanteraka ny lohan’ilay fiara ary nisabaka ny kodiarana. Izany no vokatry ny fikasàn’ireo olon-dratsy izay handroba tetsy amin’ny lalam-baovao “rocade”. Ny alin’ny zoma teo, teo anelanelan’ny tamin’ny 11 ora sy sasany alina sy ny misasakalina, no nisy fiara nisy nanipy vato malao teo anoloany. Ny iray mba vitan’ny mpamily ihany ny niala izany fa ny faharoa kosa avy hatrany dia nanitsy tao ary nahasimba ny “train” aloha. Tsy afa-nihetsika intsony ny fiara nanomboka teo ary vetivety foana dia nivoaka tao anaty haizina ny jiolahy izay tsy fantatra isa. “Soa fa mba nisy basy kilalao izay hadinon-janako tao anatin’ny fiara. Iny no nalaiko avy hatrany ary nentiko nampitahorana ny jiolahy. Mba nahomby izany”, raha araka ny fitantaran’ny mpamily. Niala tokoa ireo olon-dratsy saingy tsy nisalasala izy ireo ny nanala ireo vato malao roa natsipiny, fotoana fohy talohan’ny zava-nitranga. Inona moa ny azo natao fa dia nijery fotsiny, satria ny basy rahateo tsy afaka nipoaka, zara aza tsy notafihan’ireo jiolahy. Fiara ampanofaina ilay nokasain’ireo olon-dratsy. Avy nanatitra vazaha teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ka hihazo fodiana ary nandalo teny amin’iny lalam-baovao iny no nohararaotin’ireo olon-dratsy. Rehefa nanontaniana ny manodidina dia milaza ho tsy mahafantatra ny momba ireo jiolahy fa manahy kosa ny amin’ny hoe ireo tanora mpanao “baby” sy mpifoka rongony eo amin’ny tanàna kely tsy lavitra eo no tompon’antoka. Efa faritra mena tanteraka ka izany ny “rocade”, indrindra amin’ny alina. Mila mandray fepetra amin’ny fanaovana fisafoana matetika ny polisy miandraikitra iny boriborintany iny mba ho fiarovana ny ain’ny olona.
D.R