Sahiran-tsaina ireo mpampianatra sy ireo mpanabe eo anivon’ny Sempama-Nosy Toamasina ankehitriny. Tonga mantsy ny teny midina nataon’ny Minisitry ny Fampianarana manery azy ireo tsy maintsy handray ny asany manomboka anio, raha tsy izany dia ho tapahan’ny Fanjakana ny karaman’izay tsy miverina an-tsekoly manao ny asany. Nandritra ny fitokanana ireo foto-drafitrasan-tsekoly namboarin’ny Fanjakana japoney ho an’ireo distrika efatra ny Faritra Atsinanana izay mitentina 19 miliara ariary, dia efa nandrahona ireo mpampianatra sy mpanabe ireo ny Filoha sy ny Praiminisitra, ny an’ity farany aza dia nisy mihitsy ny fihaonana nifanaovany tamin’ireo tale sy lehiben’ireo servisim-panjakana teto Toamasina, nilazany ny tsy fanekeny intsony ny fitokonana lavareny sy ny fanaovana sorona ny taraka malagasy noho tombontsoa manokana. Raha ny angom-baovao, dia hisy ny fisafoana sy ny fanaraha-maso hataon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ireo sekoly eto Toamasina manomboka anio, ka hisy ny fandraisana lisitra ireo mpampianatra sy mpanabe tsy tonga na tonga ihany fa minia tsy manabe ireo mpianatra, koa ho hita eo ny ho tohiny. Ankoatra izay, raha efa nitaintaina mikasika ny fanadinana ara-panatanjahantena bakalorean-janany ireo ray aman-dreny, dia fantatra ihany koa izao araka ny naoty navoakan’ny oniversiten’i Toamasina, fa hatao ny talata 24 jolay manomboka amin’ny 7ora maraina izany; nefa tsy misy fiovana ny toerana efa voasoratra tao anatin’ny fiantsoana ireo mpiadina. Hisy mpitandro ny filaminana hiandry sy hiaro ireo mpiadina ireo hisorohana ireo mety halaim-panahy hanakorontana.
Malala Didier