Nifamahofaho be ihany ny zava-nitranga omaly. Toa ny nilaza fa nisy nisambotra ny Senatera Riana Andriamandavy ary tao koa ny nanazava fa ny vadiny no nisy saika higafy. Rehefa nohamarinina teo anivon’ny pôlisy dia nisy tokoa ny fidinana an-tsehatra natao rehefa nahazo antso fanairana izy ireo. « Teo Ampasika, raha nijanona teo ny vadin’ny Senatera, dia nahatsikaritra fa nisy fiara nanaraka azy » raha araka ny fanazavan’ny pôlisy. Vokatr’izany no niantsoan’ilay ramatoa maika ny pôlisy izay nanatona teny an-toerana. Teo amin’ny mifanandrify amin’ny Cenam iny no nifanena ny fiara nitondra ilay madama sy ny an’ny pôlisy. Efa tsy hita intsony tamin’io fotoana io ilay fiara voalaza ho nanaraka. Mahakasika ny feo nandeha fa nisy fisamborana ny Senatera indray dia nilaza ny avy eo anivon’ny pôlisy fa tsy nanatanteraka an’izany ny olona teo anivony.
D.R