Efatra no natolotra ny fampanoavana taorian’ny fitorian’ny sendikan’ny artista, noho ny fanohintohinana ny filaminana anatiny. Artista fanta-daza ny iray ary olon-tsotra nizara ny fanehoan-keviny kosa ny telo. Araka ny efa fantatra, dia tsy nidoboka am-ponja izy ireo fa arahin’ny fitsarana maso kosa. Ankehitriny koa dia fantatra, fa avy amin’ny solon-tenan’ny mpitory fa mbola misy telo hafa mitohy ny fanenjehana azy ireo. Mpikirakira pejy facebook izay betsaka mpanaraka izy ireo. Ny indro kely, dia tsy misy mipetraka eto Madagasikara ireo olona na dia efa fantatra ihany aza ny mombamomba azy ireo, rehefa nandeha ny fanadihadian’ny sampana « cybercriminalité ». Ho an’ireo olona efatra natolotra ny fampanoavana kosa dia natsahatra ny fanenjehana azy ireo, rehefa niaiky ny helony ary koa nanaiky ny nanao fifonana sy fialan-tsiny imasom-bahoaka. Mety hisy arak’izany ny fihaonan’izy ireo amin’ny mpanao gazety ato ho ato, mba handefasana izany fialan-tsiny izay amin’izay mety ho voakasika. Raha tsiahivina, dia faniratsirana sy fanompana ny sendikan’ny artista no tena niaingan’ny fitoriana. Izany dia avy amin’ny alàlan’ny kaonty facebook izay nanehoan’ilay artista ny heviny momba ny feo izay nandeha fa hisy fizarana vola iray tapitrisa ariary ho an’ny mpanakanto. Sady diso ilay vaovao no feno teny ratsy. Dia nisy nizara koa taorian’izay. Sady voarohirohy ilay artista sy ireo izay nizara ny fanehoan-keviny tamin’ny facebook.
D.R