Voaporofo izao ny fanaovan’ny fanjakana tsinotsinona anay mpandraharah’ny fonja. An-dàlana tokana izay nentin’izy ireo nanehoan’ny sendika ny alahelony rehefa isan’ny tsy mba nojerena izy ireo kanefa ny fonja erak’i Madagasikara tsy nisy nipika hatreto, hatramin’ny niandohan’ny krizy ny 25 septambra lasa teo. Mitohy arak’izany ny grevy ataon’izy ireo dia ny tsy fandraisana voafonja vaovao izany, mandram-pisian’ny fanapahan-kevitra hafa izay iraisana. Miteraka olana ity zava-misy ity satria ho feno tsy ho ela ny fonjakely eny anivon’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana ary tsy hisy hametrahana ireo olona tokony hotazomina vonjimaika intsony. Ny etsy amin’ny fitsaràna koa dia efa zara raha miasa. Betsaka ny datim-pitsaràna nahemotra ary nahemotra lavitra. Ny fanaovana taratasim-pitsaràna izany dia zara raha misy mpanasonia ary mihantona ny ankamaroany. Vao mainka mampahazo vahana ny kolikoly eo anivon’ny fitsaràna izany satria izay manolotra vola ihany no voakarakara. Mifandray avokoa ireo rafitra telo samihafa ireo dia ny mpitandro ny filaminana, ny fitsaràna ary ny fonja. Vao misy mikatso dia misy akony sy voka-dratsy izay mivantana amin’ny olom-pirenena mila azy ireo.
D.R