Natao ny zoma sy ny sabotsy teo, teo anoloan’ny Lapan’ny tanànan’i Toamasina ny “Sera’Be ny asa” nokarakarain’ny minisiteran’ny asa sy ny fiahiana ara-tsosialy andiany faharoa teto Toamasina, taorian’Antananarivo andiany voalohany. Maro ireo sampam-pianarana sy ireo toeram-panofanana arakasa ary ireo orinasa no nanoina ny antson’ny minisitera tamin’izao hetsika izao. Tontosa ny fampihaonana ny tolotra sy ny tinady tamin’izao hetsika izao, saingy maro tamin’ireo tanora mpitady asa no kivy, satria maro ny tolotra nisy saingy tsy mifanaraka amin’ny diplaoman’ireo tanora mpiatady asa ny ankamaroany. Eo koa ny sakana ho an’ireo tanora vao nivoaka tamin’ny fianarana nataony, amin’ity resaka traikefa takian’ny mpampiasa amin’ny mpitady asa ity. Isan’ny nampiranty ny asa misy ao aminy ny seranan-tsambon’i Toamasina sy ny orinasa Ambatovy ary ireo karazana banky misy eto Toamasina tamin’izao hetsika andiany faharoan’ny “Sera’Be ny asa” teto Toamasina izao. Efa tsapan’ny minisitera ny fisian’ireo tolotr’asa maro be tsy nifanaraka amin’ny mari-pahaizan’ny tanora ireo, ka nahatonga azy ireo nanokatra tolotra vaovao izay hisiana fampihofanana tsy ho ela. Izany no natao mba hisian’ny famoronan’asa madinika hataon’ny tanora an-tanan-dehibe na ambanivohitra mba hananan’reo tanora tsy an’asa ny asa mendrika ho azy sy ny ankohonany. Na teo aza izay olana ara-asa sy mari-pahaizana izay, dia fahombiazana ny andiany faharoan’ ny “Sera’Be ny asa” teto Toamasina. Mihevitra ny hianatsimo ny Nosy indray ny minisitera amin’ny andiany fahatelon’ity hetsika ity ny taona ho avy.
Malala Didier