Ny alatsinainy hariva lasa teo, dia teratany malayziana roa lahy indray no sarona, saika hitondra sokatra hivoaka ny sisin-tany. Raha ny angom-baovao azo, dia teo an-dàlana hiondrana amina sidina iray an’ny kaompania iray avy atsy Maorisy izy ireo no tra-tehaka. Efa hafahafa ny fihetsik’ireto roa lahy ireto ka nahamailo avy hatrany ireo tompon’andraikitra. Vao mainka moa nanamafy izany ny fitsirahana ny valizy efatra nentin’izy ireo. Tratra teo tokoa mantsy ny nafenina, satria dia nahitana sokatra am-polony tao anatin’ny entan’izy roa lahy izany. Ary rehefa natao ny fanisana, dia nahatratra teo amin’ny 22 teo ho eo no isan’ireto biby tsy manan-tsiny ireto. Naato avy hatrany ny fiondranany ary nentina nanaovana fanadihadiana ireto teratany vahiny ireto. Efa maromaro ihany ireo tra-tehaka amin’ity fanondranana an-tsokosoko ity. Raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ny sokatra; izay raha ny vokatra lehibe farany azo, dia ilay nahatrarana sokatra an’alina saika haondrana. Kanefa dia mbola misy ihany ireo sahy manohy ny asa ratsiny, amin’ny fitsentsefana ireo harem-pirenentsika. Tsy mety fay tokoa, kanefa hoy ny oha-pitenana izay hoe ny vy tsy mikitrana irery…
m.L