Pao-droa ho an’ny Fadintseranana ! Ambonin’ireo zava-mahadomelina mahery vaika, saika halefa any Canada dia saron’ireo mpiasan’ny fadintseranana ihany koa teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly, ny sokatra roa valizy, izay miisa teo amin’ny roanjato mahery teo ho eo. Niarahan’izy ireo nisalahy tamin’ny pôlisy misahana ny habakabaka sy ny sisin-tany moa no fahazoana izao vokatra izao, raha ny fanazavàna azo. Ny zava-nisy : efa nisy ny angom-baovao azo teny an-toerana mahakasika ny fisiana olona mikasa ny hanondrana ny harem-pirenentsika. Ny talata hariva lasa teo no nambara fa mety hisian’izany teny amin’ny seranam-piaramanidina. Efa mailo avokoa araka izany ireo tompon’andraikitra isanisany. Omaly, raha nandalo teo ambany mason’ireo tompon’andraikitry ny fadintseranana ny valizy roa, izay nentin’ny Malagasy iray, saika handeha amin’ny sidin’ny kaompania Kenya Airlines, ka notarafina tamin’ny alalan’ny « scanner », dia nampidinina avy hatrany. Hita tao anatin’izany mantsy fa misy bolongana zavatra boribory maromaro tao anatiny, izay noheverina fa sokatra. Nantsoina ny tompon’ireo entana saingy efa tafaporitsaka ka tsy hita intsony. Nentina novahana teo imason’ny mpanao gazety, omaly, ireo valizy roa ireo. Sokatra sy zana-tsokatra marobe, mifono « scotch », voalahatra tsara tao anatin’ilay valizy, ary notemerina tatin-jaza sy taratasy alominioma. Nahatratra teo amin’ny 240 isa no totalin’ireto sokatra ireto. Ny fanazavàna azo hatrany dia fantatra fa saika halefa any Hanoi, Malaysia, ireto harem-pirenentsika ireto, izao tratra izao. Efa fantatra ny mombamomba ilay olona nitondra ireo entana ireo, hoy ireo tompon’andraikitra, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly. Inoana araka izany fa tsy ho ela ny fisamborana, ary ho fantatra ao anatin’izany ihany koa ny tena atidoha ao ambadik’izao fanondranana an-tsokosoko izao.
m.L