Sokatra 122 no saron’ny pôlisy misahana ny sisin-tany, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny faran’ny herinandro teo. Teo am-piondranana atsy amin’ny Nosy Seychelles mihitsy ny olona telo no tratra tamin’izany. Araka ny fanazavana azo, dia efa nisy angom-baovao azo mahakasika ny fisiana olona mikasa ny hanondrana an-tsokosoko ny harem-pirenena, ka efa mailo tanteraka ireo mpitandro filaminana. Natao ny fisavana ireo mpandeha rehetra, teo am-piomanana ny hiondrana mihitsy ireto telolahy ireto no izao tratra izao. Natao tao anaty valizy ireto sokatra an-jatony ireto tamin’io fotoana io, ary efa nosaronana tsara tsy ho hitan’ny “scanner”. Mailo avy hatrany anefa ireo tomponandraikitra nisava ireo valizy, ka tratra teo ny nafenina. Raha ny tati-baovao azo hatrany, dia saika haondrana any Azia ireto sokatra ireto, ary efa nisy vonona ny handray azy tany, araka ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana hatrany. Notanana avy hatrany moa izy telo lahy. Nogiazana avy hatrany koa ireto biby ireto, mandra-piandry ny tomponandraikitra hamerina azy indray any amin’ny toerana nangalana azy.
m.L