- Publicité -
mercredi, juillet 16, 2025
AccueilFaits-DiversSeranam-piaramanidina Ivato : Teratany kaomorianina tratra nampiasa pasipaoro hosoka

Seranam-piaramanidina Ivato : Teratany kaomorianina tratra nampiasa pasipaoro hosoka

Teratany kaomorianina iray no voasambotry ny pôlisy misahana ny sisin-tany teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny talata lasa teo. Pasipaoro roa karazana no teny aminy, iray misoratra aminy ara-dalana tanteraka avy any amin’ny Nosy Kaomoro ary ny iray pasipaoro frantsay izay misoratra amina olon-kafa. Tamin’ny fotoana handeha hiondranany any Frantsa, raha avy any Kaomoro, no tra-tehaka ity ranamana ity.  Araka ny fanadihadiana nataon’ireo pôlisy misahana ity raharaha ity dia any Marseille no tena tanjony. « Araka ny fitantarany hatrany dia pasipaoro kaomorianina no nentiny nivoaka ny seranam-piaramanidina tao Moroni, ary rehefa hiditra an’i Madagasikara vao nampiasa ny pasipaoro frantsay, io ihany koa no saika nentiny hivoahana an’i Madagasikara ho any Marseille. Marihina fa samy nahitana “cachet de départs” milaza ny fialany tany Comores ny 21 mai 2018 daholo ireo pasipaoro frantsay sy comorien ireo. Tsy nahitana “Visa de sortie” kosa io pasipaoro comorien io niala tany Comores ». Tsy fantatra hatreto izay tena heviny amin’ity mody nakaty amintsika ity, izay vao hiondrana any, dia avy eo mampiasa pasipaoro tsy azy akory. Voalazany mantsy fa efa voavidy mialoha ny tapakila « Moroni-Tana-Marseille » ary teratany vahiny mitovy aminy ihany no nanamboatra sy nikarakara ny fandehanany. Nankinina avy hatrany amin’ireo pôlisy misahana ny fanadihadiana manokana moa ny raharaha ary efa manao ny famotorana ireto farany amin’izao fotoana izao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici