Taorian’ireo vola amina miliara, tsy fantatra na avy aiza na avy aiza, saron’ny mpitandro filaminana dia bolongam-bolamena maromaro indray no saika nalefa an-tsokosoko tany ivelany, tratra tetsy amin’ny Seranam-piaramadinina iraisam-pirenena Ivato, omaly. Araka ny vaovao dia valo ambin’ny folo no isan’ireo volamena ireo, izay milanja 20kg isanisany, ary mitentim-bidy any amin’ny telo miliara ariary latsaka any ho any. Raha ny filazan’ny Lefitry ny Kômandin’ny kômpania Ivato Seranana, omaly, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety dia efa ela ihany izy ireo no nahazo vaovao tamin’ny olona tsara sitrapo fa hoe misy olona mitady hamoaka ny harem-pirenena an-tsokosoko. Ka io sarona omaly io izany volamena be telo gony izany. Araka ny fantatra dia fiaramanidina iray, MD10, ho any Bangkok sy Guangzhou no nahitana ireo volamena ireto, izay niafina tanaty seza. Raha ny fanamarihana nomen’ireo zandary dia efa tambajotra be mihitsy no saika handefasana ireto harem-pirenenana ireo. Satria raha ny vaovao voaray hatrany dia tamin’ny 11ora antoandro no sarona izy ireo, raha tokony ho tamin’ny 5ora hariva omaly no niaingan’ity fiaramanidina ity. Izany hoe efa ankevitry ny maraina no nampidirina azy, tamin’ny mbola tsy nisy olona niditra tao anaty fiaramanidina. Hatreto anefa aloha, dia mbola mandeha ny fanadihadiana rehetra, satria tokoa dia tsy mbola fantatra izay olona nitondra ireto volamena be ireto. Na izany aza, raha ny voalazan’ireo mpitandro filaminana, dia efa misy olona ahiahiana ho ambadik’izao fanondranana an-tsokosoko izao any ho any. Milaza ny tsy handefitra manoloana izao fanaovana tantely afa-drakotra ny harenam-pirenena izao ireo mpitandro filaminana. Ary voalaza aza, moa fa haverina amin’ny Fanjakana toa ireo vola be tratra ihany ireto harem-pirenena ireto. Ny hirariana fotsiny dia mba ho tonga soa aman-tsara any amin’ny tokony handray azy, entina hanasoavana ireo vahoaka madinika, ireo volabe sy volamena ireo, fa tsy hipitika eny an-dalana …
m.L