Zana-tsokatra fantatra amin’ny anarana hoe Angonoka miisa efatra, miampy sokatra “radiata” 115 no sarona teny amin’ny seranam-panadina Ivato, omaly. Araka ny fampitam-baovao azo, dia saika haondrana an-tsokosoko atsy amin’ny nosy Maorisy ireto harena voajanahary ireto, no izao sarona izao, noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny pôlisy misahana ny sisin-tany sy ny fadin-tseranana. Teo am-pijerena ny sary azo avy tamin’ny « scanner » ireto tompon’andraikitra no mailo avy hatrany raha nahita sary hafahafa avy tamina sakaosina mpandeha iray, raha hiondrana amina sidina mitondra ny laharana MK 289. Nampandrenesina avy hatrany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, noho ity tranga ity mba hisavana haingana ireto sakaosy roa ireto. Tamin’izany no nahitana ireto zana-tsokatra an-jatony maro tao anatiny. Fantatra moa, raha ny vaovao azo hatrany fa any Shangai, Chine no saika handefasana azy farany. Voatery nogiazana ao amin’ny biraon’ny pôlisy ireto sakaosy feno zana-tsokatra ireto, mandra-piandry ireo sampan-draharaha misahana ny tontolo iainana, hanankinana azy ireo. Hatreto kosa dia tsy mbola fantatra ary tsy niondrana tamin’io sidina io ny tompon’ireto entana ireto, ary efa mandeha ny fanadihadiana hikarohana izay tompon’antoka tamin’izao fanondranana an-tsokosoko izao. Tsiahivina fa vao ny alakamisy lasa teo no nisy sokatra an-jatony maro ihany koa saron’ny mpitandro filaminana teny amin’iny faritra 67ha iny. Tamin’ity tranga ity, dia fantatra fa nisy olona dimy nosamborina sy nohadihadiana.
m.L