Mpandeha amin’ny zotra ho any Addis-Abeba no nahatrarana volamena indray. Teratany indopakistanais izy ary hafakely ny fomba nanafenany ny entana. Nesoriny ny vatoaratra tao anaty « powerbank » ary nararany tao ny vovoka volamena. Miendrika vatoaratra roa raha jerena ivelany. Nandritry ny fisavàna ny entan’ny mpandeha ny alakamisy teo, manodidina ny tamin’ny telo ora sy sasany tolakandro, no tra-tehaka izany. Rehefa nolanjaina dia 190 girama mahery no tratra tao anatin’ireo entana. Notazomina avy hatrany ny mpitondra azy. Raha tsiahivina dia raràna tanteraka ny mitondra volamena mivoaka ny sisin-tanin’i Madagasikara nanomboka tamin’ny oktobra 2020. Tsy hijerena lanjany izany ary tsy vitan’izany aza fa izay manana volamena ka tsy misy taratasy ara-dalàna dia hiharan’ny sazy koa. Tany aloha tany dia tsy dia nampitahotra loatra ny mpanondràna volamena an-tsokosoko ny fahatratrarana azy ireo. Ny antony dia satria mandoa fotsiny ny lamandy mifanandrify amin’izay izy ary zony indray ny mangataka ny famerenana azy ny entana ary lasa ara-dalàna amin’izay fotoana izay. Ivato sy Nosy-Be sisa, manoloana ny fepetra noraisina mba tsy hiparitahan’ny Covid-19, no seranam-piaramanidina afaka mandray zotra iraisam-pirenena. Tokony manamora ny ady amin’ny fivoahan’ny harena an-kibon’ny tany izany ary efa misy rahateo ny sampana maro izay miompana amin’izany. Ny fisian’ireny sazy mafibe momba ny fivoahan’ny volamena tetsy Toliara ireny raha avy etsy Ivato rahateo dia tokony nampihena avy hatrany ny fanondrànana ity « vy mavo » ity. Tsy misy afa-tsy amin’ireo seranana roa ireo ihany no handalovan’ireo entana raha hivoaka an’i Madagasikara ka entina amin’ny fiaramanidina. Mila hamafisina hatrany ny fisavàna eo amin’ireo toerana ireo ary hametrahana sampana miady amin’ny kolikoly.
D.R