Omaly tokony ho tamin’ny 12 ora, saron’ny mpitandro filaminana miasa eny amin’ny seranam-piaramanidina Amborovy, ny fikasana hitondra gidro enina mianaka, telo reniny ery telo zanany. Saika hoentina anaty fiaramanidina ireto biby arovana ireto.
Ny vaovao nampitain’ny mpitandro filaminana miasa eny Amborovy, no nahafantarana fa tamin’ny sabotsy lasa teo, nisy fiaramanidina nitondra vahiny niantsona tao amin’ny seranana. Rehefa izany, nisy « hélicoptère » navoaka avy anaty fiaramanidina tao ary narafitra. Io indray no nitondra olona nandeha tany Nosy Be, hoy hatrany ny vaovao. Niverina omaly tao Amborovy ilay « hélicoptère », noravana dia nampidirina tao anaty fiaramanidina indray. Tamin’izay fotoana izay no nahatsikaritra ireo mpitandro filaminana ny fisian’ireo gidro. Avy hatrany dia nogiazana ireo biby. Teo no ho eo moa dia nisy ny fifampiresahana tany amin’ny sehatra ambony. Farany, afaka nandeha ilay fiaramanidina fa tsy afaka nitondra ireo gidro ny olona tao anatiny. Ny vaovao hatrany no nahalalana, fa efa misy fanadihadiana misokatra amin’izao fotoana izao.
Nangonin’i r.s.



