- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSeranan-tsambon’i Toamasina : Entana 113 tsy misy mpaka hataon’ny ladoany lavanty

Seranan-tsambon’i Toamasina : Entana 113 tsy misy mpaka hataon’ny ladoany lavanty

Ny alakamisy 12 desambra ho avy izao ny fanaovana ireo lavanty ny entana tsy nisy naka teo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina, araka ny taratasy laharana 3153/2024/MEF/SG/DGD/DLV/SLR/LEG. Misy 113 ireo entana hatao lavanty ireo, mizara ao anaty kaontenera sy entana misaritaka ary ireo fiara samy hafa. nanangana kaomisiona misahana ity lavanty ity ny ladoany, ahitana ny vadintany mpanao lavanty sy ny eo anivon’ny bianco hiala amin’ny kolikoly ary ireo mpiasa avy eo anivon’ny ladoany misahana ny famoahana ireo entana. Tao anatin’izany dia nisy ny fepetra noraisin’ity kaomisiona ity hialana amin’ireo mpandray anjara amin’ny lavanty mpanao sangisangy, ka isan’izany ny fandoavana ny 20% ny entana alaina ho antoka atao amin’ny fanaovana izany, sy ny fanomezana kaody ireo mpandray anjara rehetra, ary ny olona telo avy amin’ny mpanao lavanty mandray anjara amin’ny fanokafana ny valopy mba hampangaraharaha ny lavanty atao. Voalaza mantsy fa manomboka ny 07 desambra hatramin’ny 09 desambra ny fanaovana ny fitsidihana ny entana, ka fizahana izany miatomboka ny sabotsy dia tsy ahafahana mametraka valopy milaza ny lavanty atao. Voalazan’ny reseveran’ny ladoany Toamasina, fa ireo entana latsaky ny 1.000.000 ariary dia tsy manao ity fandoavana antoka 20% tsy maintsy atao ity. Ankoatra izany dia mandoa 14% ny vidin’ny entana amin’ireo mahazo amin’ity lavanty ity, ka 15 andro ihany ny fe-potoana fibatana ny entana aorian’ny fahazoana izany, fa raha tsy izany dia miverina atao lavanty indray ilay entana. Azo jerena amin’ireo peta-drindrina samihafa, tahaka ny eny amin’ny fitsarana, eny amin’ny biraon’ny ladoany, ireo biraon’ny boriborintany eto Toamasina, ary ny tranonkalan’ny ladoany, ireo entana hatao lavanty ny alakamisy 12 desambra miisa 113 io.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici