- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilCOVID-19Seranan-tsambon’i Toamasina : Hiverina ny fanohizana ny asa naaton’ny Covid-19

Seranan-tsambon’i Toamasina : Hiverina ny fanohizana ny asa naaton’ny Covid-19

Nahitana fihatoana ny asa fanitarana ny seranan-tsambo eto Toamasina, vokatry ny valanaretina Covid-19 nitranga. Voatery nalefa nody noho ireo fepetra ara-pahasalamana noraisin’ny fanjakana Malagasy tamin’ny hamehana ara-pahasalamana, tamin’ny alalan’ny fiaramanidina manokana nofain’ny orinasa Penta-Daiho Joint-Venture, ireo mpiasa japonais amin’ny fanitarana ny seranan-tsambo teto Toamasina. Vokatry ny fifampiresahana amin’ny alalan’ny “Video-Conférence” ifanaovan’ny mpitantanana ny Spat sy ny orinasa Penta-Daiho Joint-Venture matetika, dia fantatra izao fa hiverina any amin’ny volana novambra na desambra any ny asa niato. Tao anatin’ny fiatohana anefa dia efa nahatratra 62,85% ny asa fanamboarana ireo “Dolos” milanja 50T no vita, fitaovana entina manakana ny onja any an-dranomasina, izany hoe ny 1.484 amin’ny 2.361 no vita hatreto. Ho an’ny “Dolos” milanja 30T miisa 800 kosa dia efa ny 541 no vita hatreto izany hoe ny 67,62%. Eo amin’ny fanotofana ny tany malalaka eo anivon’ny seranan-tsambo kosa dia efa vita 100%  ny asa hatreto araka ny fanazavan’ny Spat. Ho an’ny Spat araka ny nambaran’ny tale jeneralin’ny orinasa, Atoa Avellin Christian Eddy, dia tokony volana aogositra teto no nanomboka ny andiany faharoa amin’ny asa fanitarana ny seranan-tsambo, dia ny fandrotsahana ireo “Dolos” any an-dranomasina ataon’ny orinasa Penta-Dahio Joint-Venture; saingy nisy ny fahatarana amin’ny asa ka ny volana novambra na ny volana desambra izao no hiverina izany araka ny hevitra tapaka teo amin’ny Spat sy ny orinasa mpanao ny asa. Ankoatra ny fifampiresahana amin’ny “Vidéo-Conférence” eo amin’ny orinasa mpanao ny asa sy ny Spat, dia efa nandefasan’ny tale jeneraly Atoa Avellin Christian Eddy taratasy, mba hiverina eto Toamasina ihany koa amin’izao efa fisokafana saingy mbola ao anatin’ny fahamehana ara-pahasalamana i Madagasikara izao, ireo “Consultants” mikasika ny asa fanitarana ny seranan-tsambo rehetra mpiara-miasa amin’izy ireo. Natao izao mba ahafahana manenjika ny asa niato sy ny asa efa tara raha ny tondrozotra ny asa napetraka tany am-piandohana no jerena.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici