Mpiambina maromaro no misahana ny fiarovana ny seranan-tsambo, eo ny zandary sy ny polisy, eo ihany koa ireo orinasam-piambenana sivily samy hafa izay samy manana ny azy, araka ireo orinasa miasa eo anivon’ny seranan-tsambo. Fa ny tena goavana dia ny orinasam-piambenana. Ireto farany anefa no tratran’ny fakan-tsary teo am-pananihana ny fefy sy teo am-pangalarana ny kojakoja amin’ny fiara, ka ireo fiara vaventy sy ireo fiara “Sprinter” no tena lasibatra.
Tambajotra avo lenta. Mihetraketraka ity orinasam-piambenana ity eo anivon’ny seranan-tsambo, ka mampitaraina ireo mpanjifan’ny Spat manana orinasa sy miasa eo anivon’ny seranan-tsambo. Ny 26 novambra teo, nivoaka ny nafenina tamin’ny halatra “Repartiteur d’Air” izay tena ilan’ireo fiara vaventy miasa ankehitriny, izay tsy latsaky ny 5 tapitrisa ariary ny iray amin’izany eny amin’ny mpivarotra azy. Vokatr’ilay horonan-tsary nirakitra ny halatra nataon’izy ireo mivantana dia tsy afa-nanda intsony ireo 2 lahy hita tao anatin’ilay sary, izy ireo no nanoro ny namany avy eo ka tafakatra 8 izy ireo no tao anatin’ilay tambajotra, izay mpiasa ao amin’ilay orinasa fiambenana avokoa, afa-tsy iray mpanamboatra fiara mpividy ireo halatra rehetra.
Fanoneran-dava. Fomba iray nentina hiarovana ny fananan’ny mpanjifa tonga eo anivon’ny Spat ny nametrahana ireo caméra manerana ny seranan-tsambo, ka misy izany avokoa ireo toerana fiantsonan’ny entana samy hafa sy ireo lalana falehan’ny olona rehetra. Na eo aza anefa ireny dia hain’ireto tambajotra ireto hatrany ny miala izany, ka hany mandany vola amin’ny fanonerana ny entan’ireo mpanjifa mitaraina ireo orinasa misy azy ireny. Ny tombana natao dia an-jatony tapitrisa ariary isan-taona ny vola mivoaka mikasika izany. Ny toerana malalaka antsoina hoe “Santatra”, ny toeram-piantsonan’ny fiara, no tena hiasan’ireto tambajotra miainga avy ao anatiny ireto..
Mitohy ny ezaka amin’ny fanaraha-maso ireo tambajotra anatiny mangalatra ny entan’ny mpanjifa ny seranan-tsambo ireo, hoy ny kaomisera Ratovoniaina Alain. Mitohy ihany koa ny ezaka amin’ny fanamafisana sy fampitomboana ireo caméra ampiasaina mba hanomezana toky ireo mpanjifa amin’ny fiarovana ny entany, hoy ny tale jeneralin’ny SMMC Atoa Jean Berthin. Ny tena zava-dehibe anefa dia ny fanokanan’ny SMMC ny volana desambra ho fampianarany ireo mpanjifany, mba samy ho tompo-marika ny mpanjifa sy ny orinasa SMMC amin’ny fiarovana ny entan’izy ireo.
Malala Didier