Nanomboka ny 10 desambra hatramin’ny 15 desambra dia miatrika fiofanana eo anivon’ny ivontoerana fanofanana, an’ny senanan-tsambo, PACT (Port Academy Center Toamasina), ny mpiasa eo anivon’ity orinasa ity. Ireo tale sy ireo lehiben’ny sampandraharaha samihafa eo anivon’ny Spat no miatrika izao fiofanana izao, ka ny ivontoerana INTRA, na “Intsitut National du Travail”, eo anivon’ny minisiteran’ny asam-panjakana sy ny lalàna sosialy, no mampiofana azy ireo, tamin’ny alalan’ilay Tahiry Malagasy ho an’ny Fanofanana Arak’asa.
Andiany voalohany ireto mpiofana ireto, fa hisy ny andiany faharoa aorian’izao, ka ireo lalàna tsara ho fantatra momba ny asa sy ny mpiasa ary ny mpampiasa no ampiofanina azy ireo amin’izany. Nambaran’ny tale jeneralin’ny Spat, Atoa Avellin Christian Eddy, izay niatrika sy ny nijery ny fanofanana ireto mpiasa, fa ilain’ny orinasa goavana toy ny seranan-tsambo ny fanofanana ireo mpiasa, satria ilaina ny fanarahan’ny mpiasa ireo lalàna sy ny zava-misy manodidina ny asany. Izany dia mba hisian’ny filaminana eo amin’ireo mpiasa sy ny mpampiasa. Ny INTRA mpampiofana, tamin’ny alalan’ny tale jeneraliny, Atoa Randrianirainy Heriniaina Harisaina, dia nilaza fa tena ilaina amin’ny fampiroboroboana ny asa aman-draharaha atao ny fanofanana ny mpiasa tahaka izao, satria sady mahalalana izy amin’izay no ho tompon’andraikitra ihany koa.
Ankoatra izay dia nambaran’ny tale jeneralin’ny Spat, Atoa Avellin Christian Eddy, ihany koa fa hanomboka amin’ny volana janoary amin’ny taona ho avy io ny fiverenan’ny fanitarana ny seranana, taorian’ny fiatoana vokatry ny fihibohana nateraky ny valanaretina Covid-19 iny. Ny tanjona mantsy dia ny hanajana ny fe-potoana efa nomena amin’ny fahavitan’ny asa, ka ny taona 2023 dia efa ho azo ampiasaina ny ampahan’ny fanitarana, raha ny taona 2025 no heverina fa ho vita avokoa ny asa atao rehetra.
Malala Didier