Sahiran-tsaina ity tera-tany sinoa tompon’ireo kaontenera enina voageja eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina efa ho roa volana izao, satria nogejain’ny ladoany ireo kaontenera enina ireo, noho ny tsy fahampiana sy ny tsy fahazavan’ny taratasy momba ireo entana ao anatiny.
Hazo sarobidy. Raha ny angom-baovao natao, dia hazo hahondrana ho any Chine ireto voageja ireto. Io vaovao io ihany no nahalalana, fa ankoatra ireo hazo hafa ao anatiny, dia ahitana “palissandre” marobe ihany koa ao anatiny, ka io hazo sarobidy izay mbola voagejan’ny lalana tsy azo ahondrana io no mahatonga ny ladoany mbola mangeja ity kontenera enina ity hatramin’izao. Ny angom-baovao aza no nahalalana, fa santionina fotsiny ireto hazo ao anaty ireo kaontenera enina ireo, fa manam-pikasana hanondrana hazo zato kaontenera ity tera-tany sinoa ity sy ny namany aorian’izao.
Vola tsy voaloa. Tsy vitan’ireo kaontenera voageja ihany, fa misy mitory ihany koa ity tera-tany sinoa ity amin’izao fotoana izao, noho ny hofan’ireo kamiao nampiasainy tao anatin’izay iray volana sy tapany nametrahana ireo kaontenera enina tao amin’ny seranan-tsambo tsy mbola voaloha hatramin’izao. Ny angom-baovao no nahalalana fa mahatratra 60 tapitrisa ariary eo ho eo ity vola tsy voaloa ity amin’ny tompona kamiao telo. Voalaza hatrany fa noho ireo kaontenera enina voagejan’ny ladoany tsy mety voaondrana no mahatonga ilay sinoa tsy mety mandoa ny volan’ireo tompona kamiao.
Manelanelana ireo olona “ambony”. Nanomboka tamin’iny herinandro nivalona iny dia nifandimby tonga tao Toamasina ireo olona ambony amin’ny firenena sy ny irak’ izy ireo, manao fanelanelanana eo anivon’ny ladoany mikasika ity raharaha kaontenera enina nogiazana fa tsy mazava ity. Hatramin’ireo tompona kamiao tsy voaloa vola aza hanaovan’ireto iraka manokana ireo izao fanelanelanana izao. Hatreto anefa tsy mbola mivaha ny olana, na efa nisy “expert” nanao tombana ireo kaontenera nefa tsy mety milefitra amin’ny lalana mifehy ireo entana azo ahondrana ny ladoany ao Toamasina.
Nafenina mafy ity raharaha ity, nefa izao nipoitra izao ihany raha misy disadisa ilay tera-tany sinoa tompon’ireo kaontenera sy ireo tompona kamiao tsy voaloa vola. Koa ho hita eo ny fandraisan’andraikitry ny minisitry ny tontolo iainana, ny ekolojia, ny ranomasina ary ny ala izao raharaha izao…
Malala Didier