- Publicité SW45 -
lundi, janvier 13, 2025
AccueilFaits-DiversSeranan-tsambon’i Toamasina : Mpiasa nahavita be niisa 123 notolorana mari-boninahitra…

Seranan-tsambon’i Toamasina : Mpiasa nahavita be niisa 123 notolorana mari-boninahitra…

Ny zoma 17 desambra 2021 folakandro teo no nisafidianan’ny orinasa Spat ny fanolorana mari-boninahitra tamin’ireo mpiasa nahavita be, na ireo efa misotro ronono izany. Teo anivon’ny foiben’ny PACT eo akaikin’ny trano fitsarana Toamasina no nanaovana izany. Tonga niatrika izany mihintsy ny tompon’andraikitry ny mari-boninahim-pirenena, sy ny filohan’ny filan-kevi-pitantanan’ny orinasa Spat Atoa Ramonjavelo Valérie, ary tale jeneralin’ny seranan-tsambon’i Toamasina Atoa Avellin Christian Eddy.

Mpiasa niisa 123 no notolorana izany mari-boninahitra nandritra izany, ka niisa valo ireo nahazo ny mari-boninahitra “Grand Officier de l’Ordre Nationale » izay azon’izy ireo ny volana jona 2017, izay saika efa nisotro ronono teo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina avokoa izy valo mianadahy izay vavy tokana. Niisa 13 mianadahy no notolorana ny « Commandeur de l’Ordre Nationale » izay efa azony ny taona 2017. Mpiasa niisa 16 notolorana ny « Officier de l’Ordre Nationale », izay efa azon’izy ireo ny taona 2017 sy ny taona 2019 avokoa izany. Ny teo amin’ny « Chevalier de l’Ordre Nationale » izay efa azon’ireo mpiasa tamin’ny taona 2017 sy ny taona 2019 dia mpiasa niisa 27 notolorana izany. Ny teo amin’ny « Commandeur de l’Ordre de Mérite » sy ny « Officier de l’Ordre de Mérite » kosa dia niisa sivy avy ireo mpiasa notolorana izany, saingy tokana kosa no notolorana ny « Chevalier de l’Ordre de Mérite ». Ny teo amin’ny medaly ny asa kosa dia mpiasa 17 no nahazo izany tamin’ny medaly volafotsy, raha 23 ny teo amin’ny medaly alimo.

Nandritra ny lahateny nataon’ireo nandray fitenenana rehetra taorian’ny fanolorana ilay mari-boninahitra sy ny medaly ny asa ; dia nilaza ny tale jeneralin’ny seranan-tsambon’i Toamasina Atoa Avellin Christian Eddy fa ilay ny fanomezanam-boninahitra ny mpiasa tahaka izao, satria izy ireo no hiantoka ny fampiroboroboana ny orinasa sy ny fanitarana azy efa mandeha ankehitriny. Ny filohan’ny komitim-pitantananan’ny Spat Atoa Ramonjavelo Valérie dia nilaza fa « olona vonona sy olona vanona no omena izao mari-boninahitra izao », izany no nilazany hatrany fa orinasam-panjakana miavaka ny Spat, satria sady miha-tsara izy no afaka mampidi-bola amin’ny fanjakana ara-dalana. 

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici