- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversSeranan-tsambon’i Toamasina : Namboly zanakazo 1.000 fototra ny andron’ny « JME »...

Seranan-tsambon’i Toamasina : Namboly zanakazo 1.000 fototra ny andron’ny « JME » ny sabotsy teo…

Nisafidy ny andro iraisam-pirenena momba ny tontolo iainana ny mpiasa sy ny mpitantanana teo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina, nambolena zanakazo 1.000 fototra izay nahita ny zanakazo « bonara » niisa 750 fototra sy ny zanakazo « acassia » 250 fototra. Fiaraha-miasa teo amin’ny talem-paritry ny tontolo iainana atsinanana sy ny seranan-tsambo no nahafahana nanatontosa izany, tao amin’ny fokontany Ambohimahasoa-Ampasimbe, kaominina Vohitranivona, distrikan’i Brickaville. 87Km mialan’i Toamasina na 13Km mialan’ny kaominin’i Brickaville no misy ity fokontany nambolena zanakazo ity.

« Fanarenana ny rohivoahary » no loha-hevitra noraisin’i distrikan’i Brickaville sy Marolambo ary Antanambao Manampontsy ; satria samy manana ny loha-hevitry ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena momba ny tontolo iainana ireo distrika 07 eto anivon’ny faritra atsinanana araka ny fanapahana noraisina manokana. Velarantany 01Ha latsaka kely teo no nambolena ireo zanakazo nofidiana manokana ireo noho ilay tany nambolena izany efa tena maty tanteraka. Velirano faha-10 ny filoham-pirenena no mametraka ny fambolen-kazo sy ny fiarovana ny tontolo iainana misandrahaka hoy Atoa Tsifony Andrianarivelo nisolo tena ny tale jeneralin’ny Spat, ka izay no nahatonga ny Spat nivelatra tamin’ny fambolen-kazo tao amin’ny kaominina Vohitranivona. Misy koa ny fiaraha-miasan’ny Spat amin’ireo vondron’olona ifotony amin’ny fanaraha-maso ny zanakazo novolena, mba tsy ho faty na ho may ny doro tanety izy ireo satria isany malaza amin’izany mantsy iny faritra misy ny kaominina Vohitranivona iny, araka ny nolazainy ben’ny Tanana Lejoma Joseph Antoine. Nihatrika izao fambolena zanakazo tao amin’ny fokontany Ambohimahasoa-Ampasimbe kaominina Vohitranivona izao ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny distrikan’i Brickaville. Santatra ambavarano ihany ity fambelana zanakazo 1.000 fototra nataon’ny Spat ity, satria ilay tany midadasika ao Vohitranivona dia efa nahazoany alalana ny fombelana zanakazo aminy, ka mbola hisy ny manaraka izay hataon’izy ireo mba hiverina ho maintso indray i Madagasikara.

Ankoatra ny fambolen-kazo nataon’ny seranan-tsambon’i Toamasina, dia tsy adinon’izy ireo koa ny fanentanana ny rehetra amin’ny fiarovana amin’ny coronaviris, sy ny fanaovam-bakisiny fiarovana izany amin’ireo manana fahefana manao izany noho ny toro-marika napetraky ny fanjakana. Ny mpitsabo manokana ireo mpiasa eo anivon’ny seranan-tsambo no nanao izany ho fanentanana ny rehetra, fa mbola mihaodihaody eto amintsika ity valanaretina ity, ka tsy tokony hiraviravin-tanana sy hivaha ireo fepetra efa noraisina rehetra.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici