- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversSeranan-tsambon’i Toamasina : Nipoaka ny sambo « Nosy Mangabe », mpiasa roa namoy ny ainy

Seranan-tsambon’i Toamasina : Nipoaka ny sambo « Nosy Mangabe », mpiasa roa namoy ny ainy

Tranga tsy fahita  eo anivon’ny seranan-tsambo ny zava-nisy tao aminy ny alarobia 16 janoary teo tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro, satria dia sambo antsoina hoe « Nosy Mangabe » mpanao fitaterana an-dranomasina Toamasina sy ilany avaratry ny Nosy iny no nahitana firehetana tampoka tao aminy noho ny tsy fitandremana teo amin’ireo mpiasa tao anatiny. Raha ny fanazavana marim-pototra voaray taorian’ny fanadihadiana nataon’ny seranan-tsambo no nahalalana fa nisy olana ny fitehirizana solika mampandeha ny sambo tamin’io fotoana niantsonany tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina teo am-piandrasana entana io, nefa dia niroso tamin’ny fanaovana « soudures » izany ny tompony nanome baiko ireo mpiasa ao aminy. Vokatr’ izany dia nipoaka ilay fitahirizana solika taorian’ny afo nidonaka nandritra ny fanaovana ny « soudures » ary niparitaka eran’ilay sambo taorian’izay. Olona enina no main’ny ny afo misy solika tamin’izany ka isan’izany ny tompon’ilay sambo « Nosy Mangabe » nanara-maso ny asan’ny mpiasany. Avy hatrany dia nentina teo anivon’ny hopitaly be niatrika ny fitsaboana azy ireo naratra sy may izay mbola manaraka fitsaboana raha tena voa mafy ny roa tamin’izy ireo, raha maty ny tolakandro ny alarobia kosa ny roa izay tena niharan’ilay fipoahana nandritra ny “soudures” natao. Nanao ny asany tamin’ny famonjena ny sambo niheritra ny mpamonjy voinan’ny seranan-tsambo, ka tsy may hotohoto ny sambo « Nosy Mangabe » fa ny fanambaniny misy ilay fitahirizana ny solika sy ny teo akaikiny ihany no nahitana izao fahamaizana izao. Ankoatra izay, dia tsy vao izao no nitrangana loza hafahafa toy izao ity sambo « Nosy Mangabe » ity, fa efa matetika tahaka ny efa nahazo azy ny taona lasa iny mbola fahamaizana ihany koa sy fahatapahana rantsan-tanana eo amin’ny mpiasa izay tsy hita ao anatin’ny tatitry ny sambo na ny « journal de bord » mihitsy ireo loza mitranga amin’ity sambo ity hatramin’izay ; nefa raha ny fanazavana azo dia tsy toy ny mpiasan-tsambo rehetra ny mpiasa ao amin’ity sambo ity satria na misoratra ara-dalana amin’ny Cnaps aza izy ireo dia tsy mandrotsaka izany ny tompon-tsambo ka maro ireo mpiasa no very ny zony.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici