- Publicité -
samedi, février 28, 2026
AccueilFaits-DiversSeranan-tsambon’i Toamasina : Nitsidika azy ny minisitry ny polisim-pirenena

Seranan-tsambon’i Toamasina : Nitsidika azy ny minisitry ny polisim-pirenena

Mpiara-miasa akaiky amin’ny seranan-tsambo noho izy ireo miasa amin’ny toerana « sous douanes » ny polisim-pirenena malagasy, amin’ny fanaraha-maso ireo entana sy olona mety hampidi-doza an’i Madagasikara tafiditra eto. Nisy vokatra andrasana izany ny fitsidihana nataon’ny minisitry ny polisy, ny « inspecteur général de police » Erick Michel, tao amin’ny seranan-tsambo nahitana ny tale jeneralin’ny Spat Andriambahoaka Anicet Heritiana. Nandritra izany no nijeneran’ny  Minisitra ny kaomisaria miasa eo anivon’ny seranana, mba namantarany ny fomba fiambenana ny entana sy ny olona amin’ny fivezivezeny, indrindra taorian’ny fandalovany rivodoza « Gezani » farany teo. Nisy ny totomarika manokana nomena ireo polisy miasa eny anivon’ny seranana ity, mba hanatsarana ny fanara-maso ny entana sy olona mivezivezy, mba hanamafisana ny fiarovana an’i Madagasikara sy  Toamasina ao anatin’izany. Hentitra ny tenin’ny Minisitra tamin’ireto polisy eo ambany fifehezany, fa « tsy azo ekena ny gaboraraka amin’ny fanaraha-maso ireo entana sy olona, indrindra ny resaka zava-mahadomelina mety hanimba ny firenena sy ireo mpitsoa-ponenana tafiditra antsokosoko eto ». Mila mailo mafy ireo polisim-pirenena miasa eny amin’ny seranana-tsambo ao anatin’izany. Ankoatra izany dia mila mailo sy miasa mafy koa ireo polisim-pirenena miasa aty an-tanana amin’ireo kaomisariana samy hafa, fa mazana aorian’ny rivodoza tahaka izao, dia mirongatra ihany koa ireo mpandromba sy mpangalatra ary ireo mpisoloky manao ny asa ratsiny. Mila mihaino ny vahoaka ao anatin’izany ny polisim-pirenena araka ny baiko ny Minisitry ny filaminana anatiny teto Toamasina.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici