Tsy maintsy miditra amin’ny fampitokana-monina mandritra ny 14 andro nolazain’ny fanjakana sy ny OMS miampy 05 andro fepetra manokana noraisin’ny seranan-tsambo, ireo sambo rehetra miditra ny sisin-tanin’i Madagasikara rehetra, hoy ny teo enivon’ny Spat, nanazava ny fiarovana entiny amin’ity valanaretina coronavirus ity eto amintsika.
Midika izany hoy ny seranan-tsambon’i Toamasina, fa tsy ho eo anivon’ny seranan-tsambo mihitsy no hidiran’izany valanaretina coronavirus izany eto amintsika, noho ireo fepetra noraisin rehetra mikasika izany. Tsy mandà ny fepetra noraisina anefa ny tompon-tsambo sy ireo mpitatitra an-dranomasina, fa miangavy ny fanjakana kosa amin’ny fandoavana ny sazim-pahatarana (surestarie) izay tena miteraka fatiantoka goavana ho azy ireo. Raha ny vaovao an-jorony re teo amin’ireo tompon-tsambo sy ireo mpitatitra an-dranomasina aza, mampanahy be ihany, satria mieritreritra ny hampiato ny fitaterana ataony izy ireo alohan’ny hivahan’ny olan’ny coronavirus mba tsy hiteraka fatiantoka ho azy ireo ny sazim-pahatarana (surestarie) io. Raha nitranga anefa izany raha tsy mandray fepetra manokana ny fanjakana mikasika izany dia ny solika no tena hanana olana, satria isaky ny tapa-bolana no manatitra izany eto Madagasikara ireo kaompania avy any Arabia. Ankilan’izany dia tonga teto Toamasina ny minisitry ny varotra sy ny indostria, nijery manokana ny entana ilaina amin’ny fiainana an-davanandro indrindra ny tahirim-bary. Nisy ny fijereny manokana ny magazain’ireo mpanafatra sy mpamongady vary tamin’izany sy enta-madinika tamin’izany, ka nilazany, fa anio dia tokony samy hahatonga ny tahiriny sy ny faktiorany eo anivon’ny minisitera avokoa izy ireo. Handray fepetra hametra ny vidim-bary amin’ireo mpamongady sy eny en-tsena mantsy ny fanjakana, ny faran’ny volana marsa izao hoy ny minisitry.
Ankoatra izay anefa, dia mbola manana tahirim-bary efa-bolana ny eto amintsika amin’izao ka tsy tokony hisy ny fanararaotana amin’ny fampiakarana ny vidiny eny an-tsena; ny eo amin’ny zavatra ilaina amin’ny fiainana an-davanandro no voalazan’ireo mpanafatra sy mpamongady no misy olana amin’ny fahatongavan’ny entana, noho ity coronavirus ity.
Malala Didier