- Publicité -
mardi, juillet 22, 2025
AccueilFaits-DiversSeranan-tsambon’i Toamasina : Tatsambon’ny MSC LUCIA nahatrarana « héroïnes » manodidina ny...

Seranan-tsambon’i Toamasina : Tatsambon’ny MSC LUCIA nahatrarana « héroïnes » manodidina ny « 5kg »

Tena lasa mitombina ny filazan’ireo mpitandro filaminana eo anivon’ny fari-dranomasina Indiana , fa tena lasa kihon-dàlana fandefasana sy fanondranan’ny mpanao trafikan-drongony mahery vaika toy ny « héroïne » sy ny « cocaïne » i Madagasikara. Raha ny fahatrarana ireo tovovavy malagasy mitondra izany ao Maurice, dia efa manamarina izany raha ny angom-baovao natao.  Satria mantsy izao, dia misy tatsambo miasa amin’ny sambo MSC LUCIA miantsona ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina tratra nitondra izany karazana rongony mahery vaika « héroïne » izany . Sarotra anefa ny fikaroham-baovao mikasika azy ity, satria izay hakana vaovao dia miezaka ny miala bala amin’ny fanazavana avokoa, ka miovaova ny lanjan’ny rongony mahery vaika azon’ny mpanao gazety. Raha ny zava-misy aloha, dia in-droa nahatratra ity rongony ity ny loadoany malagasy, dia ny alarobia hariva sy ny alakamisy maraina, ka raha ny lanja azo hatreto dia manodidina ny « 5 kg » izany satria mifatra 2,5kg avy ny tratra tamin’ireo tatsambo ireo ny alarobia sy ny alakamisy teo. Ny fadin-tseranana malagasy no misahana ny fanadihadiana ny raharaha, ka tsy fantatra mazava noho ny fanakatonam-baravaran’ny ladoany amin’ny vaovao, na saika hampidirina eto Madagasikara ireto rongony mahery vaika ireo, na saika mbola hoentina amin’ny seranan-tsambo hafa, satria toa hoe tao anaty « cabine » fatorian’ireo tatsambo no nahatrarana azy ireo, ny alarobia hariva sy ny alakamisy maraina teo. Ankoatra izany, dia izao vao mivoaka tsikelikely ny marina momba ilay resaka volamena nisy namoaka an-tsokosoko teo anivon’ny seranam-piaramanidina Ambalamanasy, ny 10 janoary teo, nataon’ity karana iray efa fantatra amin’ny bizina volamena ary mpiara-miasa amina olona ambony amin’ny fitondrana ihany koa. milanja 25kg izany volana nivoaka an-tsokosoko tao Ambalamanasy Toamasina tamin’ny alalan’ny sidina Air Austral ny 10 janoary izany, ary heverina fa tsy sambany izao fanondranana an-tsokosoko volamena malagasy any Maurice avy eo any Dubai izany, satria tsy mba manana ireny « scanner » fisavana entana ireny ny seranam-piaramanidina Ambalamanasy, nefa misy sidina iraisam-pirenena ka misy manararaotra izany. Efa mandeha ny fanadihadian’ny ladoany mikasika ny raharaha ka ho hita eo ny ho tohin’ny raharaha.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici