Ao anatin’ireo vary nafaran’ny fanjakana avy any ivelany, dia tonga eo anivon’ny senanan-tsambon’i Toamasina ny vary avy any Inde milanja 50.000 taonina, ka ny 17.000 taonina amin’izany dia nafaran’ny fanjakana tamin’ny alalan’ny SPM, fa ny ambiny 33.000 taonina kosa dia nafaran’ireo tsy miankina. Raha ny fanazavana dia ilay anjaran’ny fanjakana tamin’ny vary nafarany ihany no amidy amin’ny vidiny mirary feran’ny fanjakana eny an-tsena, fa ireo nafaran’ny tsy miankina milanja 33.000 taonina kosa dia izy ireo no mamaritra ny vidiny nefa tsy tokony hanararaotra kosa izy ireo amin’ny vidin’izany vary izany. Raha ny fanazavana hatrany araka ny nambaran’ny orinasa SMMC na « Société Manutention des Marchandises Conventionnelles », fa milanja 100.000 taonina ireo vary tahiry ao anatin’ireo magazain’ny orinasa eo anivon’ny senanan-tsambo amin’izao. Misy amin’ireo vary tahiry ao amin’ny seranan-tsambo ireo ny nafaran’ny fanjakana, ny maro amin’izany anefa ny nafaran’ireo tsy miankina mpisehatra amin’izany vary izany eto amintsika, izay teratany vahiny avokoa ny ankamaroany. Mbola ho maro anefa ny ho tonga amin’izany vary izany, ka tsy tokony hisy ny fanahiana amin’ireo mpanjifa izany amin’ny fanangonana azy ireny.
Malala Didier