Tato ho ato hoy ny zandarimaria kaompania anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina dia mahazo vahana ny asa fisolokiana ny anaran’ireo mpiasa birao sy ny mpiara-miasa amin’ny tale jeneralin’ny Spat. Ny resaka fampidirana mpiasa eo anivon’ny seranan-tsambo no tena ataon’ireo andian’olona manao ny fisolokiana.
Raha ny antontan-taratasy voarain’ny zandary kaompania Port dia miisa eo amin’ny telo eo ny fitoriana tranga na fisolokiana ny anaran’ny mpiasan’ny seranan-tsambo voarain’izy ireo. Raha natao ny fikarohana, dia tratra aloha ny andiany voalohany izay tarihan’ity tovovavy, Rtoa Sendratiana Julienne 26 taona, izay mpiasa misahana ny fanadiovana ny seranan-tsambo. Fitoriana miisa 15 avy tamin’ireo efa nofitahany efa maro be no tratra aloha hatreto, ka hakany vola 120.000 ariary hatramin’ny 1.400.000 ariary no alainy amin’ireo olona solokiany mandritra izany amin’ny fampidirana mpiasa eo anivon’ny seranan-tsambo. Arakaraka ny asa heverin’ireo mpitady asa manomboka amin’ny mpanadio trano sy tokony ary hatramin’ny fiambenana sy mpiasa birao ny vola alainy mandritra izany. Misy mihintsy taratasy ambarany fa tsy maintsy fenoina miaraka amin’ireo antontan-taratasy tsy maintsy ampiarahana amin’izany ka mahatoky ireo voasoloky. Ankilan’izany dia manantsitrantrina ny Spat sy ny zandary kaompania Port fa tsy misy fampidirana mpiasa eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina raha tsy mandalo filazana ho hitan’ny be sy ny maro amin’ny alalan’ny haino aman-jery, na peta-drindrina tazany rehetra. Amin’ireo asa mandeha amin’izao eo anivon’ny seranan-tsambo ao anatin’ny fanitarana ny seranana dia tsy ny Spat no misahana ny fandraisana mpiasa, fa ireo orinasa nahazo ny asa ihany no nanao ny filazana.
An’isany mpitory amin’izao fisolokiana ny anarany, sy fanaovana kolikoly avo lenta mandoto ny hasiny izao ny Spat, satria tamban-jotra no mahavita izao, ankoatra ireo olona voasoloky izay tsy nandà ny fanaovany izany ilay ramatoa Sandratiana Julienne tratra tamin’izany.
Malala Didier