- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversSeranan-tsambon’i Toamasina : Vary 1.000 kaontenera mihitsoka ao, efa maro ireo simba...

Seranan-tsambon’i Toamasina : Vary 1.000 kaontenera mihitsoka ao, efa maro ireo simba aminy

Miezaka mandamina ny olana misy eo anivon’ny orinasa Mictsl sy ny mpandraharaha noho ny fitarazohan’ny famoahana entana misy, efa nanaovan’ireo mpandraharaha sy ny mpitatitra fitarainana sy fitokonana, ny praiminisitra, izay tonga teto Toamasina mihitsy ny alarobia tapany maraina teo, niaraka tamin’ny minisitry ny vola sy ny tetibola, ny minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, ary ny minisitry ny varotra sy ny fanjifana; notron’ireo mpandraharaha sy ny mpitatitra ary ny lehiben’ny faritra izay nandray ny fihaonana tao amin’ny lapan’ny faritra Atsinanana. Milaza ny handray didim-pitondrana hanaovana lavanty sy hanapotehana ireo entana tsy misy mpaka ireo ny fanjakana, tsy ho ela aorian’ny fampahalalana ataon’izy ireo amin’ireo tompon’entana hakany ny fananany. Teo koa ny vahaolana amin’ny famindrana ireo kaontenera 2.194 tsy misy mpaka ireo amin’ilay tany malalaka namboarin’ny Spat manokana ho amin’izany, izay mbola hiampy toerana 05ha ihany koa ny volana aogositra izao. Na izany aza dia manao antso avo amin’ny Mictsl ny fanjakana sy ny Spat mba hiezaka amin’ny fanatsarana sy fampitomboana ny fibatana entana ao aminy, izay olana mahatonga ny fitarazohana amin’ny famoahana izany. Efa nisy ny ezaka nanampy fitaovana 02 fibatana entana saingy mbola tsy mahavaha olana ilay izy hatreto, noho ny fitarazoahana nisy efa ela ka tsy mety voavaha hatramin’izao. Ao anatin’ireo kaontenera 2.194 mihitsoka ao amin’ny seranan-tsambo ireo anefa, miisa 1.000 amin’izay dia vary avokoa izay efa voaloa vola saingy tsy alain’ny tompony, ka manomboka efa simba noho ny toerana misy azy ireo eo anivon’ny Mictsl. Ny tena nahagaga amin’izao raharaha izao, izay mahatonga ny maro mihevitra fa misy “fanadiovam-bola maloto” ity resaka fanafarana vary eto amintsika izao ity, satria tsy misy olana amin’ireo tompony ny madoa ny fijanonan’ny entana (magasinage) azy ireo eo anivon’ny seranantsambo. Ankoatra izany dia efa ho simba sy ho lo avokoa ihany koa ny vary nohafaran’ny Phoenix sy Enac tany Azia, izay ny filoham-pirenena mihitsy no niatrika ny fahatongavany teto Toamasina, nandritra ireny fotoana nisian’ny olana ara-bary teto amintsika ireny. Ny antony dia misy olana izao ireto mpanafatra ny vary sy ny orinasa nanafarana izany ka miakatra fitsarana ny raharaha noho ny olana ara-bola sy ara-trosa, ka nogiazan’ny orinasa nanafarana ny vary ilay izy dia izao simba fotsiny izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici