Mpandraharaha iray hafa indray no namoahan’ny manampahefana eo anivon’ny fitsaràna didy tsy fahafahana mivoaka an’i Madagasikara. Nilatsaka teny anivon’ny mpitandro ny filaminana misahana ny fiambenana seranam-piaramanidin’Ivato izany didy izany ary mihatra avy hatrany raha sendra misy ny fikasan’ilay olona voakasika ny hivoaka ny firenena. Ny mpanao fanadihadiana no nangataka an’izany fepetra izany ary neken’ny tompon’andraikitry ny fitsaràna izy mpamoaka ny didy. Telo izany izao no voakasiky ny fepetra toa izao, ka mpandraharaha fanta-daza ny roa. Midika ihany koa ny toa izao fa mety hiitatra any amin’izy ireo ny fanadihadiana izay efa mihazakazaka amin’izao fotoana izao etsy Fiadanana. Omaly aza, ankoatra ireo teratany karàna roa izay nohenoina teny an-toerana, dia mbola nisy ihany koa ny « assistante parlementaire » iray nohadihadiana. Ankoatr’izay, misy koa ny didy fampisamborana nivoaka. Mihazakazaka ny raharaha…
D.R