Ny fisavàna nataon’ny olon’ny borigady misahana ny fiarovana ny seranam-piaramanidina no nahatratrarana ny zava-nitranga. Teratany indopakistanaise roa vavy, izay efa afaka tamin’ny fisavana voalohany, izay marihina ihany fa misy ny fitiliana avy amin’ny alàlan’ny “scanner”sy ny fitaovana samihafa ary olombelona maro mijirika, no mbola tafiditra teny amin’ny araben’ny seranam-piaramanidina ihany. Efa saika hiodrana ao anaty fiaramanidina izy ireo no nataon’ny zandary fisavàna farany. Izany dia noho ny fiahiahiana azy ireo ho nitondra volamena, araka ny vaovao efa azon’ireo mpitandro ny filaminana mialoha. Tsy hita mivantàna tamin’ny fijirihana ivelany ireo volamena. Voatery nentina tao amin’ny biraon’ny zandary, ary ireo mpitandro ny filaminana vehivavy no nanao ny fisavana akaiky. Tsikaritra tamin’izany fa tao anatin’ny fivaviany ny an’ny iray ary tao amin’ny fandehanan’ny maloto kosa ny an’ny faharoa. Ny totalin’ny volamena nafenina dia roa kilao. Nampahafantatra ny zava-nitranga tamin’ny mpanao gazety omaly ny teo anivon’ny fari-piadidian’ny zandary eto Analamanga. “Ny talata no saika hiondrana amin’ny zotran’ny kaompania Air Mauritius ireo mpanondrana. Niantso ny ladoany, ny ACM, ny pôlisy ary ny CIS ny zandary mba hanaovana fisavana eo imason’ny rehetra ireo olona (…) nanao ny ladoany saingy tsy nahita na inona na inona, nandray fepetra ny hisava lalindalina kokoa ny zandary ary dia nahomby izany satria volamena milanja 2,240 kg no sarona”, raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Tsikaritra ho nanisy mivantana ireo sampana hafa miandraikitra ny fiarovana eo amin’ny seranana izy ireo : “(…)efa avy nandalo ireo fitiliana hafa toy ny “scanner” sy ny fisavana hafa izay nataon’ny sampana hafa ireo olona ireo nefa tsy nahitàna na inona na inona”, raha araka ny zandary hatrany. Nomarihan’izy ireo fa efa misokatra ny fanadihadiana ary tokony ho fantatra tsy ho ela izay voakasika mivantana na an-kolaka amin’ity raharaha ity. Isan’ny niteraka resa-be tato ho ato ny fisian’ny zandary misava eo anivon’ny seranana Ivato. “Ara-dalàna tanteraka izany ary tsy misy ny fisandohana andraikitra, satria mazava ny lalàna manan-kery ao anatin’ny ‘code des douanes’ izay manamarika ny fahazoan’ny mpiasam-panjakana hafa eo anivon’ny seranam-piaramanidina manao fizahana sy fitazomana ny entana tratra. Izany dia araka ny andininy faha-267, alinéa 1”, izany dia mba hoentin’izy ireo manazava fa ara-dalàna ny asa fisavàna sy fijirihina ataony eny Ivato. Ny momba ireo volamena nogiazana indray dia haterina eny amin’ny banky foibe anio izany rehefa voasonian’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny ladoany, ny pôlisy ary ny zandary. Tsy azo sokafana intsony izany raha tsy eo imason’ireo olona rehetra nanao sonia. Ny ankoatra izay dia fandikan-dalàna tanteraka. Isan’ny tena ampiasana ny “scanner” ny fijirihina ny tsy hitan’ny mason’olombelona. Dia nandà volamena izany ireo fitaovam-pitiliana tamin’ity indray mitoraka ity…
D.R