- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversSeranana Toamasina : Kaonterena sivy feno vary nanjavona

Seranana Toamasina : Kaonterena sivy feno vary nanjavona

Taorian’ireo kaontenera nolazaina fa vary nefa lafarinina, sy ireo kaontenera feno vokatra mahamamo saika navoaka an-tsokosoko tratran’ny fadintseranana malagasy, izao dia vary, “star rice”, tao anaty kaontenera miisa 09 indray no nisy namoaka “ara-dalana” saingy tsy tonga tany amin’ny magazay tokony nametrahana azy. Raha ny angom-baovao teo anivon’ny mpitandro ny filaminana nanao ny fanadihadiana ny raharaha, araka ny baiko nidina avy amin’ny lehiben’ny fampanoavan’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, nametrahan’ny “Krish Global” ao Salazamay Toamasina tompon’ny vary very mpitory, dia tambajotra “mpangalatra” goavana no nahavita nanodina ireo vary 09 kaontenera ireo tao anatin’ny 03 andro monja, ny 01 – 02 – ary ny 03 oktobra lasa teo. Niainga tamin’ny fanambazan’olona “mpibizina” an’ity mpiara-miasa amin’ilay “transitaire” tena tompon’ny antontan-taratasy ny raharaha. Mitentina 80 tapitria ariary ny fifanarahana raha mitentina 300 tapitrisa ariary ity vary nahodina. Raikitra ny halatra ka tao Ampasimazava no natao ny famindrana ireo vary tao anaty kamiao nitaterana azy. Telo andro aty aoriana nahita ny variny tsy tonga tany aminy ilay tompony, “Krish Global”, no niantso ny “transitaire” nisahana ny raharaha. Ity farany no niantso ny mpiara-miasa aminy nirahany namoaka ireo vary izay efa niezaka nisitrika fa tratra ihany na efa namono finday aza. “Ny fankam-panahy noho ny fahasarotam-piainana no nanosika ahy nanao izany, vola be mantsy no nanambazan’olona ahy tamin’ny iraka nampanaovina ahy, dia tafarobika tamin’izany aho”, hoy ity mpanampy ilay “transitaire” nilaza ny marina nataony, izay efa miandry fitsarana am-ponja ankehitriny. Hatrato anefa dia tsy hita mihitsy ny toerana nanafenan’ireto tambajotra ireto ny vary, izay voalaza aloha araka ny angom-baovao, fa mbola ao Toamasina tampon-tanàna no misy azy ireo saingy tsara afina. Ankoatra izay dia tsy sambany nitranga teo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny halatra entan’olona mivoaka ara-dalana toy izao ataon’ireo mpamoaka ny entana, noho ireo tambajotrana mpangalatra mandrabiraby vola be mihaodihaody eo anivon’ny seranan-tsambo; ka ny vary sy “fripperies” ary ireo entana fampiasa an-davanandro mora amidy no tena lasibatra amin’izany.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici